Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0EAC969-06AB-40FD-AA0E-084DCF87606A
2
Ry zanak'olona, mitenena amin'ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin'ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB308857-BCA8-44B8-A59A-816D2FDEB5AC
3
ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra* ny olona izy,[Heb. hananatra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F75AE64C-672A-4C33-A2FC-C72EC6E2BAFA
4
nefa tsy mety taitr izay mandre ny feon'ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C03E0D1-7765-40BB-9154-16B472FEFAA2
5
Nandre ny feon'ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra*; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.[Heb. tsy nino anatra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E50DC6A-A93D-4A61-A763-A30E2C7B42D5
6
Fa raha hitan'ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin'ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin'ny tànan'ilay mpitily.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32F5EA4B-E5F9-4D5C-B4D0-276D359AEC5F
7
Koa ianao, ry zanak'olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an'ny taranak'Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A159948B-FAEE-460A-9E6F-3FCF9C0B0773
8
Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin'ny alehany, dia ho fatin'ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin'ny tananao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C80443E-2ED2-4158-A242-E67EE50EF275
9
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin'ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin'izany, dia ho fatin'ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AE44843-BB71-452B-8A41-66C0DDA9C38B
10
Ary ianao, ry zanak'olona, mitenena amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin'izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B499E340-D6B1-4436-922D-03405F54F743
11
Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87C4EBF8-A22B-4561-86D2-4B6BC0B587A0
12
Ary ianao, ry zanak'olona'lazao amin'ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan'ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin'ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin'ny andro ialany amin'ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin'ny andro anotany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29B291A0-AA96-463A-9E09-2B8EB45A7C32
13
Raha lazaiko amin'ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao*, nefa izy mitoky amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.[Heb. izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05DCC63E-A085-48D3-AB6C-802FC80814F4
14
Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao*, nefa miala amin'ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.[Heb. izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AEC088F-ECEB-4BC5-8A50-5F909564F75F
15
ka mamerina ny natao tsatôka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F56E8E6-DCCB-4716-8DE8-D8E9DEE1877C
16
Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C025244F-AC10-40C1-B0E9-DD00431AF710
17
Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo; nefa ny fitondran*'ny tenany no tsy marina.[Heb. lalan']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1D176F6-8E36-4056-9A94-A9F4BFEF3AF4
18
Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin'izany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CA008A6-613E-4511-9B50-36B0D0946481
19
Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin'izany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1E9D35A-F345-44B3-A7BD-4D4922086131
20
Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. He! ry taranak'Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.[Heb. lalan']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CCCAEBD-DEB0-48BA-AF11-988ADA537F68
21
Ary nony tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo taorian'ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11FB0364-EC7D-4B4D-9EFE-971D5DA998B7
22
Dia efa tonga tamiko ny tànan'i Jehovah tamin'ny omaly harivan'ny andro nahatongavan'ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan'ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD5FE63E-96AD-4512-A643-0450E0058AA7
23
Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F558EB2-09C0-4D39-9BDC-8A90D22E0B63
24
Ry zanak'olona, ny monina amin'ireny rava amin'ny tanin'ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAFAC635-044A-49F2-888F-BF576D6D2664
25
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9131311-4E4C-4F1F-A13F-F4D0F6D4E95A
26
Mitoky amin'ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin'ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCFCB689-0762-4907-AAD9-6BA26E4148B9
27
Izao no holazainao aminy: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon'ny sabatra izay ao amin'ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin'ny bibi-dia, ary izay ao amin'ny harambato* sy amin'ny lava-tany dia ho fatin'ny areti-mandringana.[Heb. fiarovana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29BD28A9-0CB1-4C12-98F9-B63B0901BE25
28
Fa hataoko rava sy lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3302C16-2AA1-4982-9272-68229163A0C2
29
Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C4A4911-B1C4-4825-9AD9-24466A5CC855
30
Ary ianao, ry zanak'olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran'ny tranony, ka samy manao amin'ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|504D65D4-B427-480F-8647-B200D5745936
31
Dia mankao aminao tahaka ny fihavin'ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatô azy; fa, indro, teny mamy no lazain'ny vavany*, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.[Na: izay mamy am-bavany no lazainy; na: kalokalo no ataon'ny vavany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57D66340-F0DA-4403-BB27-23104CD64DE1
32
Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra*, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatô azy.[Na: kalokalo]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94BD61BD-BD52-43F4-B7A8-967FB41641C4
33
Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F6FB655-695D-4C29-A4DE-950154AF907D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany