Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary niantso tamin'ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|886BA6C9-B726-4A5F-915B-79ABD8AE1AC0
2
Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin'ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan'ny alitara varahina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFC9B1AA-432A-4955-ADAA-2D2D76CA2273
3
Ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin'ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86119C00-A222-4518-9967-F196497B564A
4
Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika* ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.[Heb. marika mitanam-bokovoko]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|416246CF-7C15-45C1-9C71-90D311FF444D
5
Ary reko Izy nanao tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C5F7489-78D9-45D8-876C-C1B54A1F6EBD
6
Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny trano ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B12731CF-A6FF-46FB-9849-8E5D5D56C842
7
Ary hoy Izy taminy: Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao an-tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3043EC21-6AD8-4CDA-A171-ED75B1CCD92D
8
Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin'ny Isiraely amin'izao ampidinanao ny fahatezeranao amin'i Jerosalema izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E3983D6-6113-44F2-BFD1-BD5C2B4F1A39
9
Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak'ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran'olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EE47B97-89F5-4CDF-8A1B-EC6516D9348A
10
Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony*.[Heb. lalany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DCACB5A-A8EA-46B1-A0CE-24201A90DD0E
11
Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6B8F6DF-0E6F-4A13-818C-34020F711DB9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany