Andininy
Protestanta Malagasy
10
Ary, indro, nisy tanana nanohina ka nanarina ahy handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola nangozohozo ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D0B02FE-350A-49F9-A86E-3498DFDECFAE
11
Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho aty aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67BC5890-1254-4524-90BC-18E7FFC84314
12
Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin'ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan'Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E51B462B-A960-48F6-A4BF-FED769B7CB4D
13
Fa ilay andrianan'ny fanjakan'i Persia nanohitra ahy iraika amby roa-polo andro; fa indro kosa Mikaela, anankiray amin'ireo andriana lehibe*, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho ihany no sisa nijanona teo amin'ny mpanjakan'i Persia.[Heb. voalohany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC78513B-99CB-473B-AF1B-0BAD68DAF66E
14
Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin'izany andro izany ny fahitana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|474E9E2F-9207-4EBC-A1FD-8EA8E22B585F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany