Andininy
Protestanta Malagasy
10
Ary, indro, nisy tanana nanohina ka nanarina ahy handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola nangozohozo ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D0B02FE-350A-49F9-A86E-3498DFDECFAE
11
Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho aty aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67BC5890-1254-4524-90BC-18E7FFC84314
12
Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin'ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan'Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E51B462B-A960-48F6-A4BF-FED769B7CB4D
13
Fa ilay andrianan'ny fanjakan'i Persia nanohitra ahy iraika amby roa-polo andro; fa indro kosa Mikaela, anankiray amin'ireo andriana lehibe*, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho ihany no sisa nijanona teo amin'ny mpanjakan'i Persia.[Heb. voalohany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC78513B-99CB-473B-AF1B-0BAD68DAF66E
14
Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin'izany andro izany ny fahitana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|474E9E2F-9207-4EBC-A1FD-8EA8E22B585F
15
Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin'ny tany aho sady tsy nahateny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0A8BB13-3736-452D-B748-615BFDB7254C
16
Ary, indro, nisy anankiray miendri-janak'olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka niteny nanao tamin'ilay nitsangana teo anatrehako hoe: Tompoko, azon'ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36C6136A-AEF4-4794-8754-95211E71DA72
17
Fa aiza no ahazoan'ity izaho mpanompon'ny tompoko ity hiteny aminao tompoko? Ary tamin'izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa tato amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA5FBED7-F4A3-4905-8BAA-C731E3C220F9
18
Ary nisy indray nanana endrik'olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1A2954B-27B6-45D3-A6C5-35B54CA13409
19
ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8732F456-BADA-435F-AFB1-36A556F07FFA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany