Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosa Mediana dia nitsangana hampahery sy hanatanjaka azy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F83C4415-5212-4680-8D06-2B6CEB77E8D0
2
Ary ankehitriny izay tenany tokoa dia haharihariko aminao. Indro, mbola hisy mpanjaka telo koa hitsangana any Persia; ary ny fahefatra hanan-karena be mihoatra noho izy rehetra; koa rehefa mahery izy noho ny hareny, dia hotairiny avokoa ny olona rehetra hamely ny fanjakan'i Grisia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D740324-7F99-474B-B4FF-E2EE53E430EA
3
Ary hisy mpanjaka mahery hitsangana, izay hanapaka amin'ny fanapahana lehibe sady hanao araka izay sitrapony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DBDBF73-E806-4F63-A811-6E63D1638433
4
Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin'ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an'ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an'ny hafa, fa tsy ho an'ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3A2A170-B70D-4CD1-88D8-93C223AC703A
5
Ary hahery ny mpanjakan'ny atsimo; nefa ny anankiray amin'ny andriandahiny dia hahery noho izy aza ka hanapaka; ary ho fanapahana lehibe ny fanapahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92E250A8-F632-405C-A965-637D911426D6
6
Ary rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin'ny mpanjakan'ny atsimo hankany amin'ny mpanjakan'ny avaratra hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka na ny sandriny, fa hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka azy mbamin'izay nampahery azy tamin'izany andro izany*.[Na: dia samy amin'ny fotoany avy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3904C454-3EB9-4F9B-AEA3-1A263CBA40C0
7
Fa hisy solofony anankiray avy amin'ny fakany hitsangana handimby azy, ka hihavian'izay ny miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin'ny mpanjakan'ny avaratra, ka hasiany ireo, dia hahery izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFBA92F0-434F-4964-9BDB-51989581A574
8
Ary ny andriamaniny koa mbamin'ny sarin-javatra an-idina sy ny fanaka tsara ananany, na ny volafotsy na ny volamena, dia hobaboiny avokoa; ary hijanona elaela tsy hamely* ny mpanjakan'ny avaratra izy.[Na: haharitra ela noho]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|540CAEFB-E11A-4CC0-8D40-CA13C3012C85
9
Ary ho tonga amin'ny fanjakan'ny mpanjakan'ny atsimo izy, nefa hody any amin'ny taniny ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FCA0DF9-A181-4D25-B27F-0A03CDA40B77
10
Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra, rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|097DE2DB-A688-4D70-80DF-C86D6BBFDB02
11
Ary dia hisafoaka ny mpanjakan'ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin'ny mpanjakan'ny avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|107C5AA1-3A38-49D6-A01A-4C086A30EBE8
12
Ary raha miainga ireo maro be ireo, dia hiavonavona ny fony; ary haharipaka alinalina izy, nefa tsy hahery.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C9E0A0B-7C11-47F3-B781-CF03E2348B71
13
Fa hiverina ny mpanjakan'ny avaratra ka hanangona olona maro be mihoatra noho ny teo; ary rehefa afaka ny fe-taona, dia ho avy tokoa izy ka hitondra miaramila maro sy fitaovana betsaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57E412C1-C039-40CE-B073-F289F7EDBDDF
14
Ary amin'izany andro izany dia maro no hitsangana hamely ny mpanjakan'ny atsimo; ary ireo loza indrindra amin'ny firenenao dia hanandra-tena hahatô ny fahitana, nefa ho lavo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89F5C8EF-BAAB-44DD-8260-A1C9D922028E
15
Ka dia ho avy ny mpanjakan'ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na ny sandrin'ny atsimo na ny olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery hahombiazany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CAA1182-808B-4E46-855A-A351D6C9E6A4
16
Fa izay avy hamely azy dia hanao araka Izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin'ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|871F526C-1CF5-4E44-A7A9-03E9D4D9B02E
17
Dia hivonona tsara handeha amin'ny herin'ny fanjakany rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny fihavanana; ary homeny ny zanakavavin'ny vehivavy izy ka hahatonga loza aminy; ary tsy hahalavorary razazavavy, na hahasoa azy akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39DCDA8D-92D6-4934-9867-A75122EAB8A8
18
Ary hitodika mankany amin'ny nosy izy ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa ataony, sady hatsingeriny aminy ny latsa ataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C28990C-CF88-41B4-9C36-643D6FD50EC9
19
Dia hitodika hankany, amin'ny fiarovana mafy any amin'ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE0B13FC-4D1A-4EB0-9E51-B647704ED313
20
Ary hitsangana handimby azy indray ny anankiray izay hampandeha mpampiasa ho any amin'izay tsara indrindra amin'ny fanjakany; fa rehefa afaka andro vitsy, dia ho faty io, nefa tsy amin'ny fahatezerana, na amin'ny ady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CDA5B74-3CEB-4B0B-80E3-D79F2F760990
21
Ary hisy olona famingavinga hitsangana handimby io indray, izay tsy homena ny voninahitry ny fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina izy ka hahazo ny fanjakana amin'ny fahafetsena,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD73882A-6A7B-4485-9129-02759CCEDF11
22
ary ireo miaramila toy ny safotra* no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny mbamin'ny andriana vita fanekena aminy koa.[Heb. sandrin'ny safotra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1FE45A3-A3B5-453F-86DF-BD783FD1ECE6
23
Eny, rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy aza ny olona entiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBCFD347-176E-4620-BE06-AA0B001A4AFD
24
Hiditra tsy ampoizina amin'ny fari-tany mahavokatra indrindra izy ka hanao izay tsy nataon'ny rainy na ny razany; hahahany eny amin'ireny ny sambotra sy ny babo ary ny harena; ary hamoron-tsaina izy ka hamely ny fiarovana mandra-pahalanin'ny fotoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|896B0C56-86F3-4030-99BB-116EFBCF901C
25
Ary hanaitra ny heriny sy ny fony izy hamely ny mpanjakan'ny atsimo amin'ny miaramila maro; ary ny mpanjakan'ny atsimo kosa hanafika mitondra miaramila maro sady mahery indrindra; nefa tsy hahajanona izy, satria hisy hamoron-tsaina hamely azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B32684D-A106-43D6-8719-049463C42E55
26
Eny, izay homana ny hanina avy aminy ihany no hahalavo azy, ary ny miaramilany hanerana toy ny safotra, sady maro ny faty hiampatrampatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66B8221D-CB7A-4D53-9985-B8C09E5E1E79
27
Ary ny fon'ireo mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin'ny fotoana ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF50925D-A7CB-47D0-A2E4-D537E74753F4
28
Ary hiverina ho any amin'ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masina; ary hahefa sy hiverina ho any amin'ny taniny izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7462FB5E-CB15-4045-9773-12783CD1B227
29
Amin'ny fotoana dia ho lasa mianatsimo indray izy; nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A56BEE8B-ADBC-4F4F-80BB-4DE8BFA428D8
30
fa ny sambon'i Kitima ho avy namely azy, ka dia ho kivy izy ka hiverina ary hisafoaka amin'ny fanekena masina ka hamely; eny, hiverina izy ka hisaina ny amin'ireo efa mahafoy ny fanekena masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20EDAA9E-49FE-4814-970D-637C86B96E71
31
Ary hisy miaramila* hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masina, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan'andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana.[Heb. sandry]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3E0721E-9ADF-4958-B7C6-A32B0689BFD8
32
Ary izay mivadika ny fanekena dia hambosiny amin'ny fandroboana; fa ny dona izay mahalala an'Andriamaniny kosa dia hifikitra amin'izany ka hankatô azy*.[Na: dia hahery ka hahefa]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FB2D885-0937-4DE1-A201-60106758225A
33
Ary izay hendry ao amin'ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon'ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F97854A-4593-4EED-AE8C-02357669632F
34
Ary rehefa lavo izy, dia hahazo famonjena kely; ary maro no hikambana aminy amin'ny fihatsaram-belatsihy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77A38F45-5D0F-4475-BEB5-1DE36C784A71
35
Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan'ny andro farany, fa mbola ho amin'ny fotoana ihany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E470A73-C71D-4353-8B01-BB5C1D64C182
36
Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin'ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin'Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B1C3F45-88D2-4BD2-880F-A6F9078A65FB
37
Ary tsy hahoany akory ny andriamanitry ny razany, na ny fitiavan'ny vehivavy; eny, tsy hahoany akory izay andriamanitra, fa hanandra-tena noho izy rehetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF709610-7C3F-45EC-B32E-1538E1168BBC
38
Fa ny andriamanitry ny fiarovana mafy no hankalazainy hisolo izany; ary volamena sy volafotsy sy vato soa ary zavatra mahafinaritra no ho entiny mankalaza ny andriamanitra izay tsy fantatry ny razany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F3DAA79-5745-4B05-AAD6-9E08E2259036
39
Dia homban'ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A092ADE4-C2FC-4F27-BCF3-58FAAF77B982
40
Ary amin'ny faran'ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan'ny atsimo; ary ny mpanjakan'ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin'ny tany izy ka hanerana toy ny safotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EDE1250-DC7A-4387-B936-B9F2327AA3A8
41
Hiditra ao amin'ny tany mahafinaritra koa izy, ary maro no ho ripaka; fa izao kosa no ho afa-mandositra ny tànany: Edoma sy Moaba ary ireo lohan'ny taranak'i Amona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|403631CB-602A-49CA-A875-569D4D93458C
42
Haninjitra ny tànany amin'ny tany sasany koa izy; ary ny tany Egypta tsy ho afa-mandositra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D9CEE58-FB99-4606-9937-4AC70C8C8688
43
Fa hahalasa ny rakitra volamena sy volafotsy ary ny zava-tsoan'i Egypta rehetra izy; ary ny Libyana sy ny Etiopiana hanaraka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D98E652-D6B5-4CC5-BEE5-9BA7FB0BAD29
44
Fa hisy siosion-teny avy any atsinanana sy avy any avaratra haharaiki-tahotra azy, ka dia hivoaka amin'ny fahatezerana be izy handrava sy handringana maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF3E0C2A-D227-4852-BC93-7CA8077C1AF3
45
Ary haoriny eo anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin'ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA384310-7C6A-4F9A-9311-95DC969A635D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany