Andininy
Protestanta Malagasy
31
Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12B83A7C-02C2-4C36-8D60-837A0CAA446C
32
Ny lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14374D7B-3B59-40C9-B96B-F9FFCBF60A01
33
ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46DB35AB-627B-44CD-A0BE-FA220FF353F3
34
Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CEFA431-B4DB-4966-AB0E-C30B8916F329
35
Dia niara-torotoro* ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin'ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.[Na: torotoro tamin'ny indray mamely monja]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73F618CE-CD2F-40FF-B41B-7EB448827DDD
36
Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|598BA49F-5759-48DF-8034-0241C48B74F1
37
Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5802D9CA-AE9E-47FF-9509-A4F311AA9E68
38
ka ny zanak'olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan'izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34430B96-BEAF-411F-ACCB-0EF52FA72785
39
Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin'ny tany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA2CAEE3-8E21-4A52-BC40-16C4021888A8
40
Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin'ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77F505D5-B6F5-4319-95A2-7D023D28F9DD
41
Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan'ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|186D10DB-1D6F-491F-8817-0DCBE8CE110A
42
Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AAC6D6F7-5122-4E4A-A029-EF3EA022D427
43
Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD01FBBB-EC33-4034-99C5-F15346D31713
44
Ary amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon- kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DBEEA71F-DFC3-4769-AED5-3A99A1BF1EF2
45
Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin'ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin'Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin'ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tô ny heviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAA9086E-384C-438C-BF8F-7765164CDF31
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany