Andininy
Protestanta Malagasy
1
Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin'ny tany lemaka Dora tamin'ny fehin'i Babylona izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67AE67B9-5F46-4A4A-B1B7-0C26FA587B78
2
Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE1BEA4A-AEAA-4579-ABDD-A4EC32820E00
3
Dia nivory hanamasina ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjakan'ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony, ka dia nitsangana tandrifin'ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|161EE1E5-0565-47B5-871E-A7553BCBBB0C
4
Ary dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74367D4A-2375-4C61-ACBE-680D14822F94
5
Rehefa mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6844C98F-0B63-4834-8FE4-04C10C31962D
6
ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E05F4B0A-8DC3-448C-8042-AE750FF042CD
7
Koa tamin'ny fotoana nandrenesan'ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|298C4E63-3EFD-4329-8769-C49442788D68
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany