Andininy
Protestanta Malagasy
10
Nijery tamin'ny fahitan'ny lohako teo am-pandriako aho, ka, indro, nisy mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0FB7636-3323-43C8-8C4C-3F9DE4096E12
11
Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy eny amin'ny rantsany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC76709C-2CE8-4517-A086-6A346C47A35D
12
Nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin'ny biby any amin'ny ahitra amin'ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90F3966D-734A-4F6F-B932-A3B66D009201
13
aoka hovana ny fony tsy ho fon'olombelona, ary aoka ho fom-biby no ho ao aminy; ary aoka ho fetr'andro fito no holanina aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F631D6B2-9459-4706-BD1B-3AAC3AD148CA
14
Didin'ny mpiambina izany zavatra izany; eny, avy amin'ny tendrin'ireo masina izany zavatra izany, hahafantaran'ny velona fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany, ary olona ambany toetra no ampanapahiny azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CE55092-CA3F-47C8-A39D-A360EDBC910F
15
Izany no nofy izay hitako, izaho Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà ny heviny, fa ny olon-kendry rehetra amin'ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy ny hevitr'izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin'ireo andriamanitra masina no anatinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|737152B4-0B80-453A-9AB7-60F3BAF92491
16
Dia gaga vetivety Daniela, izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy. Ary niteny ny mpanjaka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an'izay mankahala anao, ary ny heviny ho an'izay fahavalonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF149AEC-C595-40F8-BF28-7D4E64A31377
17
Io hazo hitanao io, dia ilay nihalehibe sy nihahery, ka ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy hatramin'ny tany rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|756A96C1-E628-4CA2-842E-8FB9B1105BA1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany