Andininy
Protestanta Malagasy
20
Ary ny nahitan'ny mpanjaka ny mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin'ny bibi-dia, ambara-pahalanin'ny fetr'andro fito aminy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|854BEBE8-0F57-49BE-A0C0-25ECE7B03E0D
21
izao no heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin'ny Avo Indrindra, izay mihatra amin'itompokolahy mpanjaka:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F89F789-152F-47B8-9C2C-5FF95F4AED4E
22
Horoahina hiala amin'ny olona ianao, ary ny fonenanao ho any amin'ny bibi-dia ary hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary ho kotsan'ny andon'ny lanitra, ary fetr'andro fito no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D912F28F-9B62-4CE1-B5F0-26A5048F67F7
23
Ary ny nasainy namelana ny fotony: ny fanjakanao mbola hampodina ho anao tokoa, rehefa fantatrao fa ny lanitra no manapaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|360EDE26-FF9D-42CA-9FD6-19203EFFF2D9
24
Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento mampitsahatra* ny fahotanao,ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra* ny helokao, fandrao mba hampaharetina ahay ny fiadananao.[Ar. anapaho]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78963FE0-F88F-4DCD-B1BE-320164C50505
25
Izany rehetra izany no nanjo an'i Nebokadnezara mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B22E51E0-9674-438C-808D-401FE9BD7030
26
Ary nony afaka roa ambin'ny folo volana, dia nitsangantsangana teo an-tampon'ny tranony tao Babylona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2A18679-6AA2-42DF-9EC5-DCA3B952D1CE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany