Andininy
Protestanta Malagasy
25
Izany rehetra izany no nanjo an'i Nebokadnezara mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B22E51E0-9674-438C-808D-401FE9BD7030
26
Ary nony afaka roa ambin'ny folo volana, dia nitsangantsangana teo an-tampon'ny tranony tao Babylona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2A18679-6AA2-42DF-9EC5-DCA3B952D1CE
27
Ary ny mpanjaka niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan'ny fanjakana tamin'ny haben'ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EB70839-7E24-4A83-AFD3-A47553DFFCC8
28
Raha mbola teo am-bavan'ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, ianao indrindra no anaovana hoe: Ny fanjakana niala taminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21F804D4-100B-4BEB-BC9B-14DAC4D251EF
29
Fa horoahina hiala amin'ny olona ianao, ka ho any amin'ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao, ary fetr'andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2F36780-3B0C-4690-8242-01A471D71AC1
30
Tamin'izay indrindra no nahatanterahan'izany tamin'i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin'ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan'ny andon'ny lanitra ambara-panirin'ny volony ho toy ny an'ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an'ny vorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D61B7C91-349A-45A4-8D6A-7C53DC3A910B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany