Andininy
Protestanta Malagasy
13
Ary mbola nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny lanitra, ary nankeo amin'ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A371FFE8-5BB6-4411-8D2B-DFD827F773FE
14
Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39F47D39-F1A2-4DD7-9C01-206D80DF3D9F
15
Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan'ny lohako naharaiki-tahotra ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A7C1EAC-B3EE-4C28-A79B-61E8AD7F8D7C
16
Dia nanakaiky ilay anankiray tamin'izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr'izany rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9839E5D0-BA70-42CD-98E5-82FC9F73BBAE
17
Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F6FA098-FA93-4814-9387-70C4527B5D9D
18
Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31D68400-0B26-4DBF-8316-F936D3510E94
19
Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9129F60-AADB-4474-8552-99A6235104E3
20
ary ny amin'ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97112A2A-3370-4D4E-A982-BBCCCDB495EB
21
Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00EE3925-16AD-4C92-8ED8-697431E8FB9C
22
ambara-pihavin'ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan'ny olo-masina ny fanjakana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12FBEDE9-0B57-4A23-A65C-8A1475C15BB2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany