Andininy
Protestanta Malagasy
14
Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39F47D39-F1A2-4DD7-9C01-206D80DF3D9F
15
Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan'ny lohako naharaiki-tahotra ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A7C1EAC-B3EE-4C28-A79B-61E8AD7F8D7C
16
Dia nanakaiky ilay anankiray tamin'izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr'izany rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9839E5D0-BA70-42CD-98E5-82FC9F73BBAE
17
Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F6FA098-FA93-4814-9387-70C4527B5D9D
18
Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31D68400-0B26-4DBF-8316-F936D3510E94
19
Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9129F60-AADB-4474-8552-99A6235104E3
20
ary ny amin'ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97112A2A-3370-4D4E-A982-BBCCCDB495EB
21
Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00EE3925-16AD-4C92-8ED8-697431E8FB9C
22
ambara-pihavin'ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan'ny olo-masina ny fanjakana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12FBEDE9-0B57-4A23-A65C-8A1475C15BB2
23
Izao no nolazainy: Ilay fahefatra amin'ny biby dia fanjakana fahefatra ety ambonin'ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06DD232E-EEE1-4758-AF5A-C00382696DF9
24
Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin'izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|634E3677-E289-4542-96E0-F50F755E018A
25
Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|053A5500-5EAF-4A72-A2B5-ABDB8C0DD215
26
Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin'ny farany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|903351B8-46ED-4E0D-909F-2BF51A3F644F
27
Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C2EFAB4-D0D9-4C8C-9228-E56EE2669DDD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany