Andininy
Protestanta Malagasy
2
Dia niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, fa, indreo, ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin'ny ranomasina lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0ADEAE2-0177-4889-B4EF-B50C973B91CE
3
Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin'ny ranomasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00BF56E3-9446-47BB-A4EE-70F04F42E390
4
Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy tamin'ny tany izy ka najoro tamin'ny tongony roa toy ny fijoron'ny olona, sady natao manana fon'olombelona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB51F935-A6B4-4727-AE12-8AD3CAC23DDC
5
Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan'ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AE3E578-5E63-48D9-921A-4CD09D642781
6
Ary nony afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E703001-C5BC-4301-A823-E99CEFDDFA79
7
Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD944D74-2D20-4C4B-B72C-6EC3EC3610E6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany