Andininy
Protestanta Malagasy
21
eny, raha mbola niteny nivavaka aho, dia, indro, ilay lehilahy Gabriela izay hitako tamin'ny fahitana voalohany, dia nampanidinina faingana ka nanatona ahy tokony ho tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D6DF706-F881-4BAD-B614-2E665400D667
22
Ary izy nampahalala ahy sy niresaka tamiko ka nanao hoe: Ry Daniela ô, avy hampahazava saina anao aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5870BBF-D5BF-49B0-8C37-4514C1DB5ED6
23
Tamin'ny niantombohan'ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra ianao; koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A11E1C4-16C5-4356-9B30-F4E379F3753C
24
Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina* ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana** sy hanosotra izay masina indrindra.[*Heb. hanisy tombo-kase][**Heb. mpaminany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|038FCF73-4B1E-43C2-A9CE-9580B068A534
25
Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro**; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin'ny herinandro roa amby enim-polo, dia etc]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F95C521-53B4-407B-AD27-00053BF8D622
26
Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|648B4EAA-29F2-4BA0-AE3D-AAEB5BEA8B69
27
Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry* ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava**. [*Na: eo an-tampon'][**Na: ny efa lao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|989AC52C-0A04-46E6-9F13-DF1237900FD2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany