Andininy
Protestanta Malagasy
1
Efraima manodidina Ahy amin'ny lainga, ary ny taranak'Isiraely amin'ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an'Andriamanitra, dia ny Iray Masina sy Mahatoky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|255DE54A-7F9D-4058-93AA-4AD83BACA80D
2
Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin'ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F18BEE4-A752-43F3-9904-5D0EB7C767F7
3
Manana ady amin'i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an'i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A483DD49-5AA1-4034-B9C6-7128D5FD4139
4
Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin'Andriamanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCF2BEB6-C11C-4444-8821-FF6EA4F8D030
5
Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5846CC1F-8468-46C2-815D-6D00B321C0F3
6
Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4963BACE-98D5-4D14-BDF4-9DD8B8EF1A66
7
Koa miverena amin'Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE2BB3C6-84BE-4CC1-8F18-0A31642E0260
8
Kanana* eny an-tànany misy mizana miangatra, ny manambaka no tiany.[Na: Mpandranto izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27DDA4C5-B3EF-413A-98DF-144E9902A453
9
Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko, nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76303C48-7366-4F01-AD0C-743980B3D4CC
10
Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin'ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin'ny fotoam-pivavahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6264348F-0878-4A3C-B188-3E28B69ED87D
11
Efa niteny tamin'ny mpaminany koa Aho, sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|045DA4B8-FCDC-404D-A104-EA275CBE8777
12
Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E949F265-A843-4DD5-B166-745CD203C6A9
13
Jakoba nandositra ho any amin'ny tany Syria, Isiraely nanompo hahazoany vady, eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman'osy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D697F72-2B23-4A8B-8CEA-2921F23E9359
14
Mpaminany no nentin'i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D2BABBD-B69B-4DFA-8F97-B93B87DC0515
15
Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan'ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A7A00FD-5856-4AAF-B0E6-8AE82842F0D7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany