Hosea 14: 1-10

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin'Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31557FF7-9DED-41BE-A130-78D85D4EE897
2
Ry Isiraely ô, miverena amin'i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2EA09CD-D5E0-4B48-A55E-4DBFBAB62B2A
3
Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin'i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay* ho fanatitra** ny molotray.[*Heb. haloanay][**Heb. vantotr'ombilahy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F19FCEC-C926-4CB9-917E-8C73993E369D
4
Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin'ny asan'ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan'ny kamboty famindram-po.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3ED0E46-40F8-4753-9417-6278ED487E26
5
Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD8C8B47-509C-40F0-9FC1-96C7531D5D54
6
Ho tahaka ny ando Aho amin'ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an'i Libanona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3824685-092F-4AE1-940D-041600AF97CD
7
Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an'ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an'i Libanona ny hanitra avy aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90047ABC-26A8-413C-8997-14FA74BF5371
8
Izay mipetraka ao ambanin'ny alokalony dia hampahavokatra vary indray*, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an'ny divay avy any Libanona.[Na: ho velombelominao indray toy ny vary izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47D7C70F-33E2-42AE-9424-8F8A07F98113
9
Ry Efraima ô, hataoko* inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao**; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao.[*Na: Efraima hanao hoe: Hataoko][**Heb. azy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2ADD49E4-4E26-43BA-9A8C-061C0D1C95E5
10
Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|463E1B20-5C99-449C-BEC6-4C889E1010EA
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany