Andininy
Protestanta Malagasy
1
Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak'Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin'ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran'ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6DC7DBA-D6DD-4E19-9F2A-8E158361503B
2
Ny mpivadika dia fatra-pamono*; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra.[Na: fatra-panao ratsy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7C8DA25-4421-4146-9116-CBBD472F642F
3
Izaho mahalala an'i Efraima, ary Isiraely tsy takona amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FFC78002-C415-45E6-BCD8-8456CA8A2943
4
Tsy avelan'ny ataony hiverina* amin'Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany.[Na: tsy mety manao izay hiverenany]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4F47C11-BA60-4A80-80D4-A0CE3E329632
5
Ary ny avonavon'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FE87F95-A6E1-44E4-B500-4FC9C08CD9A2
6
Hitondra ny ombiny aman'ondriny izy ka handeha hitady an'i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CCA633E-F6F1-4A54-BAB4-7150A049B90E
7
Nivadika tamin'i Jehovah izy, fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon'ny voaloham-bolana izy mbamin'ny zara-lovany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9EC68811-02F3-4EDF-B011-368EC85723EF
8
Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA38AAF2-AF80-4933-B7DC-63B1425BE386
9
Ho lao Efraima, raha mby amin'ny andro fanamelohana; Izay tsy maintsy ho tô no nambarako tao amin'ny firenen'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E27C1D46-F1C7-4919-9976-B70E6454E241
10
Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F403B50-3753-475E-BFEE-5CDDB2CE1A8F
11
Ampahorina Efraima sady voatorotoron'ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin'olombelona izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8AD753FC-C383-47B6-AABF-4B052E4C9B37
12
Koa amin'i Efraima dia tahaka ny kalalao Aho ary amin'ny taranak'i Joda dia toy ny fositra*.[Na: momoka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE4C8555-CB8C-4586-B3FD-B1646F3D06FF
13
Rehefa hitan'i Efraima ny aretiny, ary Joda ny feriny, dia nantany amin'ny Asyriana Efraima, eny, naniraka ho any amin'i Jareba* mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana anareo, na mampanaritra ny ferinareo.[Jareba = Mpandahatra, na Mpiady]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|571D7774-88E1-4331-BD04-8146ED79E059
14
Fa amin'i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin'ny taranak'i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4ACA521F-0218-49C8-A244-0E1E12404619
15
Handeha hody any amin'ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86C76139-A6F8-45A5-AB07-B52A427A468C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany