Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, Ny lahi-antitrareo hanonofy, Ary ny zatovonareo hahita fahitana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBAEE390-41E9-4A7F-9D8C-F84C358AD4D2
2
Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8226CAE2-30AA-432B-AB28-82B2DFC0A4EA
3
Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra sy ety amin'ny tany Aho, Dia ra sy afo ary setroka mitankosina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E93DD21-2F85-46F5-93D3-B8508FD4F73A
4
Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho ra, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09050E8E-0718-4201-83D7-F66C31E59CE4
5
Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, Araka izay efa voalazan'i Jehovah, Ary izay antsoin'i Jehovah dia ho isan'izay afa-mandositra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FDC5B2AB-EE74-480E-9BF4-2B6A93F99B2A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany