Joela 4: 1-21

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Fa, indro, amin'ireo andro ireo sy amin'izany fotoana izany, Raha hampodiko ny Joda sy Jerosalema avy amin'ny fahababoany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|595D6412-373C-4CB5-9BC8-A8BA7A0E4378
2
Dia hangoniko ny jentilisa rehetra Ka ho entiko midina ao amin'ny Lohasahan'i Josafata,[Josafata = Jehovah no mitsara.] Ary ao no hifandaharako aminy Noho ny amin'ny Isiraely, oloko sy lovako, Izay naeliny tany amin'ny jentilisa; Ary nozarazarainy ny taniko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31FAEFAA-823C-40C8-A19D-C72B25D14098
3
Sady nanaovany loka ny oloko, Dia zazalahy no nataony takalon'ny vehivavy janga, Ary zazavavy no namidiny divay ka nosotroiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73E284B9-7CFE-4C76-B2C0-F705A5EFAA87
4
Ary hianareo koa, ry Tyro sy Sidona, sy ry tany Filistia rehetra, Moa mampaninona Ahy akory hianareo? Hamaly Ahy va hianareo, sa hanahoana Ahy? Faingana dia faingana no hanatsingerenako ny nataonareo ho eo an-dohanareo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9862295-4849-4FDC-A7C1-D569F2BFAAF1
5
Noho ny nakanareo ny volafotsiko sy ny volamenako, Sy ny nitondranareo ny zava-tsoako mahafinaritra ho ao amin'ny tempolinareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52BCC7EC-E5DE-479A-8724-15100009E5DF
6
Ary ny zanak'i Joda sy ny zanak'i Jerosalema dia namidinareo tamin'ny zanaky ny Grika, Hamindranareo azy hanalavitra ny taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BF42103-24D6-4EEC-B082-F66E0A67173E
7
Indro, hofohaziko izy hiala any amin'ny tany izay nahaverezany noho ny nahalafosanareo azy, Ary hatsingeriko ho eo an-dohanareo ny nataonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|330900C2-137A-4E82-AE2C-2F5DAABD3592
8
Ka hamidiko ho lasan'ny zanak'i Joda kosa ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, Ary hamidiny amin'ny Sabeana kosa ireny, dia ho an'izay firenena lavitra; Fa Jehovah no efa niteny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81A29BFF-CD35-4708-98D1-D66C587527C9
9
Antsoy any amin'ny jentilisa izany, Miantsoa hanao ady masina, fohazy ny lehilahy mahery, Aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62E654AA-4CDE-4029-9C88-A969768959F6
10
Tefeo ho sabatra ny fangadinareo, Ary ho lefona ny antsinareo fanetezam-boaloboka; Aoka izay kelikely aina hihiaka hoe: Mahery aho!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBDBCADE-316C-489C-BD06-EE7C2B4B18C6
11
Avia faingana, hianareo jentilisa rehetra avy eny manodidina eny, Dia ento midina ao ny maherinao, Jehovah ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB282020-936A-4065-AB0F-327842634B95
12
Hifoha ny jentilisa Ka hiakatra ho ao amin'ny Lohasahan'i Josafata;[Josafata = Jehovah no mitsara.] Fa ao no hipetrahako hitsara ny jentilisa rehetra avy eny manodidina eny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5375D372-0330-4915-8DD6-CB074814B463
13
Arosoy ny fijinjana, Fa masaka ny vokatra; Avia hianareo, ka manosihose, Fa feno ny famiazam-boaloboka, Mihoatra ny vata fanantazana, Fa be ny faharatsiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDC444DF-03EB-4727-B117-0545D5A041BC
14
He izany vahoaka mireondreona ao amin'ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah ao amin'ny lohasaha fitsarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|447F5678-C5E7-4A1E-A698-28A3F64049A5
15
Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, Ary ny kintana tsy hamirapiratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62FDE645-DC7F-4479-83F2-77F7172A73AF
16
Jehovah mierona ao Ziona, Ary mampikotroka ao Jerosalema, Ka hihorohoro ny tany aman-danitra; Fa Jehovah no fialofan'ny olony Sy fiarovana mafy ho an'ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DED080DE-D34D-4218-906F-2BD26B31E92A
17
Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina; Dia ho masina Jerosalema, Ary ny hafa firenena tsy mba handeha hamaky eo intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B446911-A51F-4AD8-9C36-97E110837843
18
Amin'izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, Handriaka ronono ny havoana, Ho feno rano ny lohasahan-driak'i Joda rehetra, Ary hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon'i Jehovah Ka handeha ny lohasahan-driak'i Sitima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21B930D4-3EC0-4F43-94FC-D92AE3BD9EA9
19
Egypta kosa ho tonga tany lao, Ary Edoma ho efitra foana, Noho ny fampahoriana ny taranak'i Joda, Dia ny nandatsahany ra marina teo amin'ny taniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CEC7F01-D11A-4366-9E79-41C7BF368A1B
20
Fa Joda honenana mandrakizay, Ary Jerosalema hatramin'ny taranaka fara mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A393026-1419-429B-9B7E-953D7842EEFA
21
Ary hamaly ny ra marina izay tsy mbola novaliako Aho; Fa Jehovah monina ao Ziona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7215B66-8C8A-4309-8A12-23707EC4A114
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany