Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12FBD588-9159-470D-BEC7-B161E80A5C97
2
Mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|880960F0-C45C-4C4C-8C1D-51ABDAA54FA3
3
Eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombebona, dia eo amin'ny trano-lay fihaonana, no handaharan'i Arona azy, hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina, eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F23664FE-A762-4FBD-A170-8A68D2DCF4F5
4
Eo amin'ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-iiro mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03AFC59A-1202-44E6-8D66-9944D7D6DDCF
5
Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin'ny folo; roa ampahafolon'ny efaha no hatao mofo iray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D23BF483-A5EF-4EB5-980C-3BEB3663E8AF
6
Ary mandahara ireo eo ambonin'ny latabatra tsara eo anatrehan'i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D49B140-2664-4754-A5BD-CB61ABD67D3A
7
Ary asio ditinkazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin'ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25E23EC4-88B3-4618-A653-158F7B8C0C5C
8
Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah; ho avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BD951BE-BA2A-49AD-A227-BFEF0779C8F3
9
Ary ho an'i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin'izay fitoerana masina; fa masina dia masina ho an'ny mpisorona izany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo: lalàna mandrakizay izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2041D24-A058-4826-B56A-5C638B15051F
10
ARY nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin'ny Zanak'Isiraely, vehlvavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18055E35-C9F7-4FAC-B5B9-84CEAFEE2AB2
11
Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin'i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin'i Dibry avy tamin'ny firenen'i Dana izy);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F263C431-C03B-4957-98B0-E07FBAA6BA2C
12
ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C941B14C-B9D4-4DF6-B821-3E1FEC829D87
13
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B0F5A29-C387-4FD2-8B63-0EDDD56FCEC2
14
Avoahy ho eny ivelan'ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin'ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E323226F-3E89-41E9-8EED-37EF43C9129B
15
Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an'Andriamaniny dia ho meloka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80B0061A-2261-4483-A24A-8BDA2FAD5B41
16
Fa izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2505DA4A-6B46-4B69-BE5D-6167A8EBBF5C
17
Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38CA210C-2A2F-4C86-8033-4C6FADA5F090
18
Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon'ny biby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6E95771-ABC5-4D77-939C-25EEFD48E07C
19
Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADE1C572-7B5F-4658-A798-9AABB8FC2290
20
tapaka solon'ny tapaka, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin'ny olona no hatao aminy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CF389FF-228B-4974-97FD-48EB3C9E3EFC
21
Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74E80FEB-8F10-4D66-9D37-23725BC72593
22
Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC08D87E-7306-43D8-BAE5-13BEA95F9A65
23
Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, dia navoakany teny ivelan'ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D074FD4-13ED-41B8-A7AD-943857F7AC87
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany