Andininy
Protestanta Malagasy
1
AZA manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin'ny taninareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B1CE551-93CC-483A-B55F-C4535A40896A
2
Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|764BCEF2-0966-4496-9921-93BA39B1E277
3
Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko hianareo ka mankatô izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93AFF071-E8A9-4A54-9F91-4915CEE8E131
4
dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFC26D90-E62B-4DA6-9802-66367854DFD8
5
Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana hianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin'ny taninareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FC17DD2-A2B6-4D6F-8556-4D59EF2AD282
6
Any homeko fiadanana eo amin'ny tany hianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin'ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|983A6F9A-A28F-4A32-BBBA-6973237CD5B8
7
Dia hanenjika ny fahavalonareo hianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DCFBAB6-58C0-4195-9350-B67344596ADD
8
Ary ny dimy aminateo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|365E750D-861C-46C1-B3CA-3345A7D970D3
9
Any hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo, ary hanonina ny fanekeko aminareo Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37D49187-3738-4DDD-BBEB-0731417702BE
10
Any hihinana ny tranainy hianareo, sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8663AE62-859A-480B-9AD6-F94E27934650
11
Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan'ny fanahiko hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A981CAC3-65FE-4502-AAF7-348B3F6A4525
12
Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andniamanitrareo; ary hianareo ho oloko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F206553-C1A6-44E0-9589-6C865E3AB3FD
13
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba tsy ho andevony hianareo; ary nanapaka ny zioga izay teo aminareo Aho ka nampandeha anareo mijoro,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|204769AF-DC6B-4E0A-A282-090270FDA7F3
14
Fa raha tsy mihaino Ahy kosa hianareo ka tsy mankatô ireo didy rehetra ireo,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82746057-80FC-431E-98AB-89173B6334AD
15
ary hamavoinareo ny didiko, na halan'ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E2220AE-1CC4-4A29-AEAB-DF875148BDFD
16
Izaho kosa dia hanao izao aminareo hanisy fampitahorana aminareo Abo, dia areti-mahasahozanina sy tazo mahamay, izay manimba ny maso sy mandany ny aina; ary hafafinareo foana ny voan-javatrareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C851E39-B683-4A74-940F-FBD3F5401E0A
17
Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan'ny fahavalonarco hianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra hianareo, na dia tsy misy manenjika aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71E38A19-373C-4251-96D1-949A0B148F4F
18
Ary raha mbola tsy mihaino Ahy ihany hianareo amin'izany rehetra izany, dia mbola hampijaly anareo impito Aho noho ny fahotanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7732F7C0-6EB6-4707-8096-E8FCB18342F0
19
Ary horavako ny reharehan'ny herinareo, ka hataoko toy ny vy ny lanitrareo, ary toy ny varahina ny taninareo; ary ny herinareo ho lany foana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4E7E8CE-F268-4CFD-A89B-BD7B8A3EC09A
20
fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo, any tsy hamoa ny hazo amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01FB7224-136D-4262-BC64-B686C1A9B634
21
Ary raha mbola manohitra Ahy ihany hianareo, ka tsy mety mihaino Ahy, dia hasiako kapoka impito koa hianareo araka ny fahotanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8993C34-0DE8-403C-9248-0DB349BA1135
22
Ary hampandehaniko eo aminaneo ny bibi-dia, ka handany ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo ireny ka hahavitsy isa anareo; ary ny làlambenareo ho tonga efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFFD38CC-75BF-4201-B31A-CD49BC6C0102
23
Any raha tsy mandray ny anatro amin'izany hianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|206EA581-42A1-4435-B3CC-8955A8998B20
24
Izaho dia Izaho kosa no hamely anareo ka hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E8DE36F-6444-4589-BD4B-8E3DB11FA2D6
25
Dia hampiditra sabatra aminareo Aho ho valin'ny nivadihanareo ny fanekena; ary rehefa tafangona eo anatin'ny tanànanareo hianareo, dia hanatitra areti-mandringana aminareo Aho; ary hatolotra eo an-tànan'ny fahavalo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D8042CB-B81D-4BC8-86A4-8439170AD89D
26
Raha tapahiko ny vary, izay tohan'ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan'ny vehivavy folo ny mofonareo, ary andanjany no hizarany azy, dia hihinana hianareo, fa tsy ho voky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F68774F9-07D7-46E2-B000-66D78ECED3C0
27
Ary raha mbola tsy mihaino Ahy amin'izany indray hianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87F220D0-07E8-4059-8A7A-9FB27B10BB0E
28
dia hamely anareo amin'ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF49EAF5-CA54-4E1D-897B-157B2E122619
29
Dia hihinana ny nofon'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C30F55C4-6784-4DDC-A495-0B9CDD8BC432
30
Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin'ny fatin'ny sampinareo, ary ho halan'ny fanahiko hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ED2A78A-90F0-4887-8A63-DEB87E4DC553
31
Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51C71190-719A-4DA3-84FA-1D0D10587C3C
32
Ary hataoko lao ny tany, ka ho talanjona amin'izany ny fahavalonareo izay monina eo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CA48318-3368-4252-85A6-19DBFB9D56D4
33
Ary hianareo dia haeliko any amin'ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C12550A5-3CE5-44B9-A51F-50C7FB845FF9
34
Ary amin'izany ny tany dia hanonitra ny sabatany amin'ny andro rehetra izay hahafoanany, raha any amin'ny tanin'ny fahavalonareo hianareo; dia hitsahatra ny tany ka hanonitra ny sabatany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7BBB443-BBEC-4789-8322-102003060C9F
35
amin'ny andro hahafoanany rehetra no hitsaharany ho solon'izay tsy nitsaharany tamin'ny sabatanareo, raha mbola nonina teo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|381E55E0-4082-4FDC-8359-7C29E4726BA9
36
Ary ny amin'ny sisa aminareo any amin'ny tanin'ny fahavalony, dia hampiditra faharerahana ao am-pony Aho, ka na dia ny feon'ny ravin-kazo voapaoka aza dia hampandositra azy; ary handositra tahaka ny mandosi-tsabatra izy ka ho lavo, na dia tsy misy manenjika aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ACC9255-C3DA-4948-AE03-740D1994CA0D
37
Ary ho lavo mifanindry toy ny mandosi-tsabatra izy, na dia tsy misy manenjika aza; ka dia tsy hahajanona eo anoloan'ny fahavalonaneo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02B1F093-EF96-4050-904C-C7822468D6B7
38
Any dia ho lany ringana any amin'ny jentilisa hianareo, any ho lanin'ny tanin'ny fahavalonareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B7C1D36-4B8B-491B-96F7-3821FD6C3BD4
39
Ary ny sisa eo aminareo dia ho levona any amin'ny tanin'ny fahavalonaneo noho ny helony sy ny heloky ny razany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4179084-E024-4CFE-96F6-48F6DD5D3096
40
Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin'ny nanoherany Ahy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EFD8EC4-588A-4C45-99AA-0CBFCF1464A0
41
ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin'ny tanin'ny fahavalony, raha hietry amin'izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin'ny helony izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63917773-58E3-46C2-AA9C-3436C422276E
42
dia hotsarovako ny fanekeko tamin'i Jakoba sy ny fanekeko tamln'Isaka ary ny fanekeko tamin'i Abrahama; ary hotsarovako koa ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFA07163-AE93-4928-AC80-8BCFE5D4345B
43
Ary ny tany hilaozan'ny olona ka hanonitra ny sabatany, raha mitoetra foana tsy misy olona izy; ary ny olona hanonitra ny amin'ny helony, satria nandà ny fitsipiko Izy, ary halan'ny fanahiny ny didiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BEE250E-3ADB-4E00-8305-5060EADDC35D
44
Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin'ny tanin'ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny. 26:45 Fa ny hitahiako azy no hahatsiarovako ny fanekena tamin'ny razany, izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta teo Imason'ny jentilisa, mba ho Andniamaniny Aho: Izaho no Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CF02B77-A078-4705-A012-463B0BC85129
46
lreo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon'i Jehovah ho aminy sy amin'ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an'i Mosesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|905161C7-B381-4175-B4B0-3D157E622B08
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany