Amosa 1: 1-15

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny tenin'i Amosa, izay isan'ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin'ny Isiraely tamin'ny andro nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andro nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, roa taona talohan'ny horohorontany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E12CB067-5024-4213-AFC5-CB50DE500BDD
2
Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon'i Karmela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9845663B-C06D-46FD-86DB-665578E92A15
3
Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria kodia vy no nivelezany an'i Gileada; [Heb. tsy hahemotro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|207BEE32-FE4F-4EF8-9BCB-1D28B13CAE8F
4
Fa haterako afo ny tranon'i Hazaela, ka handevona ny tranoben'i Beni-hadada izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A452C5A-84E5-4D6B-B30B-091EE4AAA2F8
5
Hotorotoroiko koa ny hidin'i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina* ny lohasahan'i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan'i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah. [Na: mpanapaka]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|180012D9-FFF7-425D-BE28-593A2DAE8CB1
6
Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma; [Heb. tsy hahemotro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0020B01-216C-4875-AF96-1C2F95BFD696
7
Fa haterako afo ny mandan'i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|261B3675-7CD3-47E9-A6C3-C6CDCAEABE02
8
Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an'i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin'ny Filistina, hoy Jehovah Tompo
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|388B673B-AADF-426F-86CF-E0F5B12CA048
9
Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;[Heb. tsy hahemotro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|922C43DF-2DAE-460A-BE38-A11CD7C264E5
10
Fa haterako afo ny mandan'i Tyro, ka handevona ny tranobeny izany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76A4CB0D-B9CB-4839-BFC3-88EC9E7340B6
11
Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava; [Heb. tsy hahemotro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83F02A63-3213-4F70-BA4B-52E863CBF2D0
12
Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben'i Bozra izany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7B3B779-D6E3-4C6E-A11B-2F006E377E2F
13
Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'ny taranak'i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny; [Heb. tsy hahemotro]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E2E8A0D-DF71-4B69-8E8F-E80F8D840ABF
14
Fa hampirehitra afo ao amin'ny mandan'i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin'ny andro iadiana sy rivo-mahery amin'ny andron'ny tadio;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F81BAD42-A0F8-46C8-9641-808B8460D360
15
Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin'ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5372560F-027A-4288-B1E8-885D77223CE1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany