Jona 1: 1-16

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tonga tamin'i Jona, zanak'i Amitahy, ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15A01F1E-93FA-483A-9088-0DD7CB2891F5
2
Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin'ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AB9B726-D588-4D02-9AB0-00ABDF9C34F9
3
Nefa Jona nitsangàna handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan'i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin'ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3063FAC1-7B97-4791-A4DB-50B3871A7E87
4
Fa Jehovah nahatonga rivotra mahery teny ambonin'ny ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina, ka dia efa nila ho vaky ny sambo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66E2CA94-18A3-4B03-8720-7EB25B267BA0
5
Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin'ny andriamaniny avy, sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC348F97-E6E7-4931-9B02-E29BCC6CDBE4
6
Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity hianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, ka dia tsy ho faty isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|162F47FA-5142-4FC3-B3DA-2C7E4761A2BE
7
Ary dia samy nanao tamin'ny namany hoe izy: Avia isika hanao mba hizahantsika izay mahatonga izao amintsika. Dia nanao filokana izy, ka Jona no azo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40C1280B-CE52-4DDA-AD36-8228A316CCB1
8
Dia hoy ireo taminy: masina hianao aminay lazao aminay: Noho ny amin'iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza hianao? Aiza no taninao? Ary avy amin'ny firenen'iza hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|159DC41F-B828-453A-813C-25BE4DC9D3BE
9
Dia hoy izy tamin'ireo: Hebreo aho; ary Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|648B2C69-6723-4D68-B1A1-60E5B3348253
10
Dia raiki-tahotra indrindra ny olona nanao taminy hoe: Adray izato atanao izato! Fa fantany fa nandositra hiala eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nambarany taminy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5564BEAB-5E70-46B2-826E-20B4E5694806
11
Dia hoy ireo taminy: Hataonay ahoana ary hianao mba hahatony ranomasina aminay? Fa mbola nihananonja ihany ny ranomasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CEA4D1B-3C42-40A2-8FFD-7F9E5B42869E
12
Ary hoy izy tamin'ireo: Betao aho, ka atsipazo any anatin'ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8331532-18BF-45DB-9157-9234DFAEBF9F
13
Nefa namaky onja fatratra ny olona mba hamerina ny sambo ho amin'ny tany maina, fa tsy zakany, satria ny ranomasina mbola nihananonja mafy taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CD1B80B-5B20-4DA4-AE97-A1B7234CC4B7
14
Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin'ny ain'ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka ra marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8EC94E3-F450-4C74-B7C8-9B2F8D9DA1DF
15
Dia nobetain'izy ireo Jona ka natsipiny tany anatin'ny ranomasina; ary dia nitsahatra ny fisafoaky ny ranomasina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F14B4D85-4B99-443E-9169-B514B7AF65BA
16
Dia natahotra an'i Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah sady nivoady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|792C70A1-9833-4D3E-9D72-1B1A79C2AFFB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany