Andininy
Protestanta Malagasy
6
Ary nony efa ren'ny mpanjakan'i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin'ny lavenona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDF30A5D-5B06-461A-B083-AF5ECD46A182
7
Ary nasaina nantsoina sy nambara eran'i Ninive araka ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman'osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F51E78A9-CE12-414B-B084-DCCAD31D7CFA
8
Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny làlany ratsy sy ny fandozana eny an-tànany avy izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86B3F837-163C-456C-B259-95F255677519
9
Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin'ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EDA6E85-FADB-41D3-8A74-CEAE7824B6F5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany