Mika 6: 1-16

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Masina hianareo, mihainoa izay lazain'i Jehovah : mitsangàna, mandahara eo anoloan'ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren'ny havoana ny feonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEF42F90-A21D-4858-B413-A2649AC856C5
2
Mihainoa ny adin'i Jehovah hianareo ry tendrombobitra, Sy hianareo, ry fanorena-matezan'ny tany; Fa Jehovah manana ady amin'ny olony, Eny, amin'ny Isiraely no ifandaharany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48F489EB-6574-49C4-A863-AAAE81B27761
3
Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CBA37EA8-4DE8-41A9-9F6D-C203EFE86EDD
4
Fa nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta hianao Sady navotako avy tao amin'ny trano handevozana : Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59FF84BE-A516-4BEE-A0D0-D40A28B8807E
5
Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon'ny Balaka, mpanjakan'i Moaba, Sy izay navalin'i Balama, zanak'i Beora azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71DDCCD7-EDC1-40F0-99F3-E772746BCDE4
6
Inona no ho entiko manatona an'i Jehovah sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any amin'ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD725EF4-1030-430B-AF02-4BE0471EBF86
7
Ho sitrak'i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan'ny fanahiko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B506E91E-C1DA-481F-94B5-031F565D2C2F
8
Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany : ny hanao ny marina sy ho tia famindrampo Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAF93D81-0253-4D5A-8A2E-FB11BBEE03E1
9
Manaitra ny tanàna ny feon'i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|448F5286-648E-482F-99E7-F1B1138CE659
10
Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon'ny ratsy fanahy Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B11F3045-E5DC-41C4-90C9-93193454EA1E
11
Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga sy kitapo misy vato tsy marina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19E24E9E-6D73-4933-968B-351E04353C76
12
Fa feno loza ny mpanan-karenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DE366D9-A38D-4546-A819-3A9E315A4530
13
Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin'ny fandringanako anao noho ny helokao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E20F9286-5D9C-4D73-9214-01863836DA77
14
Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina hianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin'ny sabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE8C7069-01C7-4F61-9608-74D7B8497C30
15
Hianao hamafy, nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, Ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2573BB7-9235-4DB8-870E-A19F323005B0
16
Fa fatra-pitandrina ny lalàn'i Omry Sy ny asan'ny taranak'i Ahaba rehetra hianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan'ny oloko hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DF5DDAD-5E39-41AB-8EF4-E2934A3A7DE6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany