Mika 7: 1-20

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialintaona, izay irin'ny fanahiko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBE726FA-586D-4C86-9ED9-716CE1739AE4
2
Lany tsy misy amin'ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin'ny olombelona; Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy. Eny, mihaza ny rahalahiny amin'ny harato izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AC7ECB3-A940-45F5-AE0D-28FE98AEA788
3
Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara. Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan 'ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B277B66-C68C-468D-8F45-10857277B676
4
Na dia ny tsara indrindra ao a dia toy ny roy. Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo. Avy ny andron'ny tilinao, izay hamalia na anao; Amin'izany dia vao ho very hevitra hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6520DE7-E7D9-4E10-A84A-75E3A3DD47CC
5
Aza matoky namana hianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran'ny vavanao na dia amin'izay andefimandrinao aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A0A3E70-9691-4B81-9BD9-F085A7549809
6
Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8F11221-ADAC-4CFA-9BCC-FFD4715C0478
7
Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8A04B76-2B48-4D8A-B9E2-19BB3480C935
8
Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin'ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EF4E1D4-F0FA-4C6B-B545-904458E38CFD
9
Ny fahatezeran'i Jehovah dia hiaretako ihany. Fa efa nanota taminy aho. Ambara-pandahany nv teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F26D25E-10B2-410C-A0E8-AF68E41195E8
10
Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe : Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dàlambe izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5CFC0B2-89CB-461B-B32E-B13702A4648A
11
He ny andro hananganana ny màndanao! Amin'izany andro izany dia hitarina ny faritra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C447DE5-BF8B-4F36-97B9-2B884F006EFC
12
Amin'izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria ay avy any amin'ny tanànan'i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin'ny Ony, Ary hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, Ary hatramin'ny tendrombohitra ka hatramin'ny tendrombohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7C2B8EF-3CF6-4EB6-8BEF-1F2F86FC0797
13
Nefa ho lao ny tany noho ny amin'ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9A43F8F-A218-4C7E-9041-AC99DEA80284
14
Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, izay monina mitokana, dia any an-ala ao an-tampon'i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin'ny andro taloha ela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|297BE09C-17BF-4E62-A336-1144CD11BAF1
15
Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF4EF1B1-BA1A-4E26-A219-826C61BF108B
16
Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3041712E-A213-4C0E-A947-70707730B573
17
Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin'fiarovany mafy tahaka ny biby saka amin'ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48655390-0D3D-40E9-9354-E461EA46A3EE
18
Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindrampo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|506E191E-1652-4DD1-9066-5FB1EA263A8F
19
Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D26A821B-CDB5-4AC8-829C-573DC522D2C9
20
Hanefa fahamarinana ho an'i Jakoba Hianao Sy famindrampo ho an'i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro taloha ela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42625948-C307-4131-987F-308AA1D7BA4E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany