Habakoka 1: 1-17

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan'i Habakoka mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BA79655-39A5-4621-B034-4A2000692676
2
Jehovah ô, indrisy ny hahelan'ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C4BC952-F10C-46DF-8B45-343569DEF626
3
Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05A20186-D3C7-4B3C-9A53-70AF383DE729
4
Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan'ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan'ny fitsarana miangatra.[Heb. miolana.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABCC31D7-5867-4A2C-B7A6-9A57C5278CFD
5
Jereo any amin'ny jentilisa, ka diniho, Ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin'ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42B28190-9737-4596-95E2-697DE6E3D6BB
6
Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka[Heb. mangidy.] sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran'ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A36D2B28-AA33-4AF0-AF86-43607748410D
7
Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin'ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BF48CCB-183C-4569-A753-485782DD56FE
8
Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia[lopa.] hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EE455DA-5426-497A-8B17-3163E8165584
9
Hampidi-doza no ihavian'izy rehetra; Ny handroso ihany no atrehiny fatratra,[Na: hatrehin'izy rehetra.] Ka manangona sambotra toy ny fasika izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79C7C96C-FFC7-4858-8608-EF6017A784C7
10
Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany[Heb. vovoka.] izy ka mahafaka azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40FB2859-7606-4BCB-AC16-5E0873630F57
11
Dia mihelina toy ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no andriamaniny!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03608212-B73C-41EE-858F-BA65A84A3F5E
12
Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, ho fananarana no nanangananao azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0E59175-C7C4-40FF-ADBA-D1140A968011
13
Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A305EE10-4F9E-4C78-9F79-73158AF284E3
14
Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|105EF468-DF52-4DF4-8950-80778177453A
15
Aingainy amin'ny fintana izy rehetra, Samboriny amin'ny haratony Ary sarihany amin'ny harato tarihiny, Ka dia faly sy ravoravo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D51A0489-CEE5-4123-A075-0AD102CA684A
16
Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an'ny haratony Sy andoroany ditin-kazo manitra ho an'ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFA5D6A6-C246-46F7-9E1A-F4F8A9F8000C
17
Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin'ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F374839B-32FD-424D-BA58-1CD75063980F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany