Andininy
Protestanta Malagasy
1
Hitsangana eo ambonin'ny fitazanako aho Ary hijoro eo ambonin'ny mànda, Hiandry hahitako izay holazainy amiko Sy izay havaliko amin'ny fitarainako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE03AF92-0444-4D1D-9D26-CDEFC2A01072
2
Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe: Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana, Mba ho azon'ny mihazakazaka hovakiana aza.[Na: mba hihazakazahan'izay mamaky azy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|200D75EC-8560-45B0-84AE-41E9C76DDCDB
3
Fa ny fahitana dia mbola ho amin'ny fotoan'andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8084586-64B4-42D9-A009-B682E7CBABB6
4
Indro, feno avonavona ny fanahin'ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, Fa ny marina ho velon'ny finoany.[Na: Fa ny marina amin'ny finoana no ho velona.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82EA2110-5D38-4551-A5FF-AE22ABF5A551
5
Ary koa, mamitaka ny divay; Ny olona miavonavona tsy mba mahatoetra, Dia ilay mitanatana vava tahaka ny fiainan-tsi-hita,[Heb. Sheola.] Eny, toy ny fahafatesana, ka tsy mety voky, Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy Sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9C5C5DD-8E5D-49FC-920A-2E87057323DB
6
Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto rehetra ireto? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana[Heb. fampanonona.] hanoherana azy va izy ka hanao hoe: Lozan'izay mahery mandroaka ny tsy azy! Mandra-pahoviana! -- dia ilay mivesatra ny zavatra nalaina ho tsatôka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC68E1C4-2D4F-4A3A-B3BE-5ED0674DE4D1
7
Tsy hitsangana tampoka va izay hanaikitra anao, Ary tsy hifoha va izay hanaitaitra anao, Ka ho babony hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|262E9586-8968-4230-B49F-AF8B72990CF3
8
Fa efa namabo firenena maro hianao, Ka dia mba hobaboin'ny sisa rehetra amin'ny firenena kosa, Noho ny ran'ny olona sy ny fandozana natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98AABBFB-E0FE-4C3D-AF1B-6764D99B7D53
9
Lozan'izay fatra-pila harena amin'ny tsy marina ho an'ny taranany, Hanaovany ny akaniny any amin'ny avo, Mba tsy ho tratry ny tànan'ny loza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE772312-9CE9-4FF7-B5C0-72FE0B3CBB86
10
Efa namoron-tsaina izay hahatonga henatra ho an'ny taranakao hianao, Dia ny handringana firenena maro; Ary nankahà-doza hihatra amin'ny ainao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5EDA285-87D0-46A9-B2E9-A3FD842D39D3
11
Fa hitaraina ny vato ao amin'ny rindrina, Ary ny sakamandimby ao amin'ny trano[Heb. hazo.] no hamaly azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E586552-EF5C-4314-8331-CC4BE787A237
12
Lozan'izay manao vohitra amin'ny fandatsahan-dra Sy manorina tanàna amin'ny heloka!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64E52856-7687-4815-B0FE-086B04971F54
13
Indro tsy avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, va No hiasan'ny olona ho an'ny afo, Sy hisasaran'ny firenena noho ny zava-poana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56166ECE-6214-411F-9852-B32943F7863F
14
Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr'i Jehovah, Toy ny fanaron'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|800EF3D4-7067-43B6-9ABD-8B5F0A48CE5D
15
Lozan'izay mampisotro divay ny namany -- Dia hianao izay manampy fahatezerana -- ka mampahamamo azy, Mba hijery ny fitanjahany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F9B1393-E354-478E-AFFF-E6935583F16C
16
Efa feno henatra hianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha;[Na: aoka ho hita fa tsy voafora hianao.] Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tànana ankavanan'i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin'ny voninahitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|94D3E75C-9ED8-4FAF-B1A3-02A8D513452A
17
Fa hanody anao ny loza natao tamin'i Libanona Sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, -- Noho ny ran'ny olona sy ny loza natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14722A5D-2C78-439C-9F40-FD008BE11E37
18
Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, No misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra lainga, No matoky azy izay namorona azy Tamin'ny nanaovany sampy moana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57973F9A-B335-4FC3-A913-E517FC8C52C9
19
Lozan'izay manao amin'ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin'ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy. Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43A6C292-2655-4020-B567-7E223A8798C2
20
Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina; Mangìna eo anatrehany, ry tany rehetra!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD32911C-E02C-4E76-938A-A8625D6CDDA8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany