Malakia 1: 1-14

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah nampitondrainy an'i Malakia ho amin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C24ED80-E7E1-43D0-99CF-90424D7FC298
2
Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy hianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin'i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|520715E8-D94E-465C-ADA5-4843E84CB261
3
fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an'ny amboadia [Na: jakala.] any an-efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24CCA48A-F435-443C-BB64-F558E140077F
4
Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava, dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin'ny faharatsiana, dia firenena tezeran'i Jehovah mandrakizay, ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|803F875B-AB0D-4825-9F51-C0E2A3436D28
5
Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny hianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe [Na: ho lehibe anie.] any ankoatry [Na: eny amin'.] ny tanin'ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00AE3BA8-B692-444B-8267-4E8500B8AF7C
6
Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon'ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako, nefa manao hoe: Amin'inona no anamavoanay ny anaranao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1CE73D9-AEC8-4D7D-ABFB-D954E2B851F7
7
Amin'ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin'ny alitarako. Nefa hianareo manao hoe: Amin'inona no andotoanay Anao? Amin'ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr'i Jehovah dia fanimbazimba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|709D1405-108D-40BB-A45B-044C43EA920C
8
Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, -- tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, -- tsy ratsy hoe izany! Atero ho an'ny governora manapaka anao ange izany, -- moa mahazo sitraka na fitia aminy va hianao? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|844D143C-4B35-420C-A16D-FAE434D1A8A1
9
Koa masìna hianareo, andeha mifona amin'Andriamanitra hamindrany fo amintsika -- fa ny tànanareo no nahatonga izany, -- moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9E319EF-5945-4312-A57A-CA734C3E787F
10
Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin'ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin'ny tànanareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A68CFC2B-63E8-497C-B9D0-4B303AE4996C
11
Fa hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany dia lehibe[Na: ho lehibe.] ny anarako any amin'ny jentilisa, ary any amin'ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an'ny anarako; fa lehibe[Na: ho lehibe.] any amin'ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D9043F6-08F7-40C7-AF8D-D99FFDADC83A
12
Fa hianareo kosa manamavo izany amin'ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr'i Jehovah, ary ny haniny aterina eo [Heb. vokany.] dia tsinontsinona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A75A64C-B9EB-40BE-8BAF-8DBD96380249
13
Hoy koa hianareo: Tsy mba hasasarana lahy! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin'ny tànanareo va Aho? hoy Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFD6E7B6-E535-411C-8459-BB696A7180C7
14
Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin'ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an'ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin'ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|117F9542-6C4D-4DAF-B7D1-AE706F7A81D5
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany