Malakia 3: 1-24

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra làlana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin'[Na: Iraky.] ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28598C6B-8B84-437C-92FF-F69DA36C43B9
2
Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52B708B0-A440-401E-B621-C7CEFE1B0975
3
Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D683AD47-3C75-4016-87A4-79DC1485FFE0
4
Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A72C5145-02CF-4933-93E9-F8F782D42675
5
Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy to sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|564661FD-0B86-42F1-9F3F-6CFD1CAB22E9
6
Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary hianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5711A7C-11E4-40CB-AB3B-D3AF0146CDFF
7
Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko hianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy hianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CF70219-90BF-4E42-9770-42A69224D81F
8
Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy hianareo? Nefa hoy hianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra.[Heb. fanatitra asandratra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|744445AC-7956-4BE2-BB98-AE52520F5DA2
9
Voaozona amin'ny ozona hianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao hianareo rehetra iray firenena izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21790F39-F054-486A-8C15-B14D5691DB6D
10
Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E202D789-732E-43AA-AFE7-72BB7A6FCC00
11
Ary hasiako teny mafy ny valala [Heb. mpandany.] noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6CF500D-B967-44CA-87CD-5632BCAC0B4C
12
Ary hianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra hianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50CE8CA2-DE35-4E58-AA78-D63043181653
13
Ny teninareo dia mahery mamely Ahy, hoy Jehovah. Nefa hoy hianareo: Inona no resakay nentinay namely Anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|097831D4-4E78-4DD5-A03A-13BE4E224BE6
14
Tamin'ny nanaovanareo hoe: Zava-poana ny manompo an'Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin'ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin'ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana [Na: nijoretra.] teo anatrehan'i Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FB61F44-FF39-4B99-9ED7-2088BDF08414
15
Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an'Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E50D32B4-75AB-4515-A439-0E6423E0C56E
16
Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAE1BD30-0209-4180-AA7A-45FE5AF80DA0
17
Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF7BCFC6-A005-40C8-9EB0-164AC9919CA8
18
Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|222690FB-761B-47AC-8477-BDC21B214D47
19
Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodi-vary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fàkany na ny sampany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61B256C8-82F0-430F-A2AC-5B9FCF18BABF
20
Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tànany;[Heb. elany.]; ary hivoaka hianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70499A6A-CA8C-4ACB-8894-67DA9518687F
21
ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izy amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7569F576-64BA-434D-A486-2EAF6C5BBB99
22
Tsarovinareo ny lalàn'i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin'ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E379F369-B255-4DB5-A1FA-997B8BFFCBE7
23
Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D118F9C8-28B5-4235-993A-8EAC133462A1
24
ary izy hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana.[Heb. herema.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C6AB13B-AD14-4251-AE77-9878104642BE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany