Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary rehefa vitan'i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin'ny folo lahy, dia niala teo izy hampianatra sy hitori-teny any an-tanànan'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE873B26-C5F3-4E40-9040-FB8E3CE68C1E
2
Ary rehefa ren'i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon'i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DED0D043-E624-4147-92F0-40BE4FD4327D
3
hanao aminy hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE7A44D7-CA92-4982-92F3-9B67C46E4041
4
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana hianareo, ka ambarao amin'i Jaona izao renareo sy hitanareo izao:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5401542C-4ECB-42DB-9916-1FF4C46CA49A
5
Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7EE33F5-4363-407F-9E00-D1D8566AAEC7
6
Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B28DAC2-BD43-4A88-A2BE-63642F54C6D3
7
Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4A9FF86-553E-436B-BA23-877DCBC0EFBF
8
Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa va? Indro, ny mitafy soa dia ao an-tranon'ny mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|993F047F-E18D-4BFE-AE43-036F9BD796B0
9
Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09E5036A-5872-4146-8E1E-A239BEF4BB12
10
Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny làlanao eo alohanao (Mal 3.1).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7805EB3-E24D-4C7D-BF5B-D6F2F4AC9BDF
11
Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8C91175-A4B8-40D5-8BE4-91A59CAC61E5
12
Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF731460-701D-4977-9834-E33DC47BE1BB
13
Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin'i Jaona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDDAFF3D-8725-402E-A2C8-060177576C06
14
Ary raha mety mandray hianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4579669-80AA-4B0B-A4B6-7D4BF4EE2E3C
15
Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6BBFD75-9CC8-4D58-A94D-D6207BFFE1B2
16
Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC6F61C6-152C-44CD-AF80-9CA7A5F7B5EA
17
Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy hianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F639F8D-61DE-4597-8676-4783953442C1
18
Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C8F0661-8F23-4AFD-9520-BECC4804E995
19
Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin'ny asany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FCBCD8A-E973-4E45-8C1B-6F206CD3BECA
20
Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8596B8FC-9215-4F77-9C41-0CFE798A093E
21
Lozanao, ry Korazina! Lozanao, re Betsaida! Fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62C01C30-BF10-4981-BFDB-EC444F511545
22
Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71FE9B51-F436-439D-80C3-D7EEBC58B80B
23
Ary hianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va hianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita hianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE24A647-8C12-4135-A969-C530FE9918FA
24
Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0ABE7F2-819C-41A6-A907-00166741CCF3
25
Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFFB7E8E-C5D0-4AA5-9C88-C075785C1C5D
26
Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A6318FF-B9F4-42AB-9714-DFC50B325155
27
Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89D88548-0FFD-4040-865B-683FF0715B37
28
Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9B31ACA-7DED-47E2-A68A-2DAAC292534A
29
Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|950F3A78-BFFD-4B6B-9096-F6C094C79C1A
30
Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2B07700-29F8-4827-B1F1-35ACA07AB677
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany