Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E335C2A5-AE83-4653-8E1B-27537DCEAEF0
2
Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A3FD8AC-B09E-42CD-B6EA-5FE24521D422
3
Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B425BE93-7428-4385-A764-3150442CC41C
4
fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2411AB59-5045-479E-96DD-A058ADCB2DE3
5
Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FA518A3-6511-457A-9502-16359B435521
6
Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7D6163A-05C1-43B2-A952-7C5433E17206
7
Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra (Hos.6.6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B973D979-97EB-41D2-8F70-57D8EDFA726C
8
Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6FCBB2B-3B57-4412-9134-D90D667E2491
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany