Andininy
Protestanta Malagasy
13
Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin'ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B53C9C7-9A78-42D3-AC8D-0A34E44947BD
14
Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD3984F5-C18E-4C36-BBB1-EEC46FE34F9A
15
Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin'ny vohitra hividy hanina ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B3E649D-ED4B-4954-B0A9-3A81BC4DF180
16
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3716B7C6-F9F0-4729-93B6-F1C8091A9128
17
Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy aty aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA10F488-199A-40DB-9173-11B65A935C7F
18
Ary hoy Izy: Ento ety amiko izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|721CC9C1-A007-4F6A-AFA9-9C52777A6EE1
19
Dia nasainy nipetraka teny ambonin'ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra; ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E1F9345-2F92-46ED-A6B9-B898CE087DFD
20
Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D8E3AF8-E816-4350-A215-79A3767577F8
21
Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5C80AD0-31A4-440E-A60B-8C5F372C0ECF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany