Andininy
Protestanta Malagasy
22
Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F98263C-6064-4991-9B83-674EC122675F
23
Fa Izy tsy namaly teny azy. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AC5D31A-6E46-4CC2-93CD-C7D28BD1C1CC
24
Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6C2420A-7FC9-40AF-B666-FE627F491301
25
Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|072F4EA9-63CB-44CF-B894-C092BEE6FBC1
26
Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B6A30B2-ED80-439E-A76F-0343D52F48A9
27
Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A987DDB6-30A0-458C-8F5E-28F7FD2630C9
28
Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zanani-vavy tamin'izay ora izay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA11C3A6-64D4-4432-980E-3AA7E41FF197
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany