Andininy
Protestanta Malagasy
21
Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe : Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB4C8F09-6FCB-4E1F-9F14-06051A4780F4
22
Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E41CE02-E25D-41FB-B31E-E2C75D7B3D95
23
Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin'ny mpanompony ny amin'ny volany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D197E344-88FF-401F-A33D-AB08CFFBB8AC
24
Ary raha vao nidinika izy, dia nisy anankiray nentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A942A88-8B13-453A-856F-4150C29867A1
25
Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin'ny fananany rehetra handoavana ny trosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8F4C88E-BD9B-43A7-9F6C-84E57D296E57
26
Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka nanao hoe: Tompoko, omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45A2D5C9-C355-4FBF-BCAC-78480CE87D8E
27
Ary ny tompon'izany mpanompo izany dia onena azy ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|216B7AE2-1B5A-4C07-B48F-477CE395435F
28
Nefa nony nivoaka izany mpanompo izany, dia nahita mpanompo namany anankiray, izay nitrosa denariazato taminy, dia nosamboriny izy ka notraohiny sady nataony hoe: Aloavy izay trosako aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1E17081-1FF8-4BF4-906F-64781524D88F
29
Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy nanao hoe: Omeo andro aho, fa haloako ny anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FBD8A92-B2A1-4449-8727-E0BADA2325E9
30
Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy tao an-trano maizina mandra-pandoany ny trosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F47B0BA-8F49-4731-BEE6-B2719AEFC91F
31
Ary nony hitan'ireo mpanompo namany izay efa natao, dia nalahelo indrindra izy ka nandeha nanambara tsara tamin'ny tompony izany rehetra natao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EADAED26-DA4A-4754-ADB2-5F164701D329
32
Dia nampanalain'ny tompony ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BF07C59-AEA6-4B8A-879F-554DC209D909
33
moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin'ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4195D7B-696A-4DBA-974E-5933F982BF47
34
Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin'ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C754B896-7F35-42D7-A4F6-B7C81403332C
35
Ary tahaka izany koa no hataon'ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin'ny fonareo avy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33013E9A-840E-4EEC-9152-0C57D6D53CCB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany