Andininy
Protestanta Malagasy
20
Ary tamin'izany dia nanatona an'i Jesosy ny renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FBDFCCF-6677-475E-A54A-25D024F0908E
21
Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1345F935-8031-4939-BA5D-18B49A35004B
22
Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58389EBD-955F-4745-A7E7-FA4FF8E2D1DE
23
Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin'ny kapoakako tokoa hianareo; fa ny hipetraka eo an-tànako ankavanana sy eo an-tànako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran'ny Raiko izany no homena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|058524C4-7E98-4818-915D-3555DEDAF5EC
24
Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'izy mirahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54B19F69-6250-43D2-96BE-C58C04722FC2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany