Andininy
Protestanta Malagasy
33
Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanimboaloboka, dia namefy azy manodidina, dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF9D6651-96CB-4F55-9AF0-0E2D44C99680
34
Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin'ny mpiasa tany handray ny vokatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8BD2FCD4-30DA-4146-8F39-21FCB2B63CBA
35
Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EE6D8F1-D24C-463C-B90D-3C1B9E46A4B9
36
Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75BF58C3-9304-47A2-9F32-CA6ADA88CF78
37
Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A5C2ABB-D05E-463B-B236-64374C99DDE3
38
Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|246A72C4-FA19-4427-B6B5-5EF923861921
39
Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanimboaloboka, dia namono azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89017912-34B5-4ADA-B46D-CBBAC6F4065A
40
Koa raha tonga ny tompon'ny tanimboaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9508FB69-BC7A-45A4-BC09-69724B118741
41
Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanimboaloboka dia hahofany amin'ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin'izay fotoany avy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2996713B-6663-4E4E-9BFC-2CAC126A2F9A
42
Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano , Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin'i Jehovah izao ka mahagaga eo imasontsika ? (Sal.118.22 .23).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F97A30C7-6902-4EF1-9E55-A6954647360B
43
Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan'Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|021B7AF6-C2CC-41A5-B238-BD53B7A7132E
44
Ary izay potraka amin'ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFC847E1-7EE0-4B61-9BAA-AEA5C1E72BAC
45
Ary rehefa ren'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon'i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2B4621E-1A6C-4397-9427-4689C8BB970A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany