Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96BFBD29-8877-4EE3-AC33-06142FEA9DE2
2
Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny zanani-lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FE99CDB6-EBFF-41E3-8930-300F64BFE16D
3
Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin'ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D954511-4AC6-47E9-8505-B622F16AEFD6
4
Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'izay efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa aty amin'ny fampakaram-bady hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|532DD343-57E7-4709-9EA4-230C67DA6B3D
5
Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary ny anankiray ho any amin'ny varony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7A454DD-BF2E-4894-A1B2-23788B48463F
6
Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0F3993B-27A3-42E4-8CB9-973D2185F4C9
7
Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E435DA2-EDB7-4788-AED4-E0E501A37222
8
Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa izay efa nasaina no tsy mendrika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92FB0E63-949C-4BFC-8A2B-2639750B4D7F
9
Koa mankanesa hianareo any amin'ny sampanan-dàlana, ary izay hitanareo any amin'ny sampanan-dàlana, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|582DA137-0026-4FC7-8B39-97DA0BC658E9
10
Dia nivoaka ho any amin'ny làlana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C4469A3-8753-440C-B60B-9119FDD9128B
11
Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B485A87-B475-41D7-B5AC-E6DF66D279D2
12
Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa hianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|134BE894-03AA-47F9-82F9-A07CF3838EC9
13
Ary dia hoy mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|862590B0-A9AF-4447-9898-55DF1B800622
14
Fa maro ny antsoina, nefa vitsy no fidina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE9C6B89-91F0-4EF8-B133-6E1B85CB437A
15
Ary tamin'izay dia lasy ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin'ny teniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B3BA4EC-5B93-4275-97D8-16AF16FC8297
16
Dia naniraka ny mpianany mbamin'ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny làlan'Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D16EE55D-315C-4CE2-A37E-588340C8D4BF
17
Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A31C3F4-605E-4E3B-A4D5-60FC0014A32B
18
Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy hianareo, ry mpihatsaravelatsihy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCF503DC-4681-404E-82DA-1EB252176295
19
Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin'ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B2208D8-5E22-445F-BBBC-C49274E18DE3
20
Ary hoy Jesosy taminy: An'iza ity sary sy soratra ity?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|622D4E6F-5D0C-414A-A892-5430D7743631
21
Hoy izy taminy: An'i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89979841-3DF1-4DD3-ACAC-D44CFAAC9C29
22
Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD9E4D5F-E30D-4AB6-A9DA-B43460BD1CC6
23
Tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, ka nanontany Azy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9DA0258-9E8E-4D73-A2AA-8A44E695E0AD
24
Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo.25.5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF2F93BE-3E77-445E-975D-F73E712D04A4
25
Koa nisy fito mirahalahy tety aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka izy, dia navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3B03A79-850B-4D6F-BD89-723052F99AA3
26
ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin'ny fahafito.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F389E01-F83B-45BF-ADC3-53A176D10052
27
Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BBFF1E8-AE17-41AC-9D6F-CD5444E9E538
28
Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C9A0E52-D734-41D8-99FB-F0ED1C883586
29
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92F46993-D734-4688-8DEF-45D1ED19CBCD
30
Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjelyany an-danitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28588927-5D5D-4596-9556-2D41C10D8054
31
Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F34689C-7C90-4CF4-A6A4-B03E6BEFC665
32
Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba ( Eks.3.6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAD97ABB-E8DE-47E5-9DA4-6EE930F70E17
33
Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin'ny fampianarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70FD42E0-F3D5-43FF-B712-106FC1A0A18A
34
Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasìna ny Sadoseo Izy, dia niangona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8550110D-8AFC-49BD-859A-FFFC503FAD64
35
Ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDBB7FFD-25B3-4B03-A8D0-5A3C0B9F1BDE
36
Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0136B09-9B1A-43E7-8266-5FAEE5C91695
37
Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra ( Deo.6.5).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07AE2D44-E38A-4646-83BE-7B10BA88B13A
38
Izany no didy lehibe sady voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|471DD66D-578A-4748-94FB-99C1827CACE8
39
Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ( Lev.19.18).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8293F333-99FF-4A7A-BD6C-178BCAC758B2
40
Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D11EA69-5ADB-49BB-B7CC-E36D7FB71631
41
Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C0E2636-6B8F-4528-8F67-5BFAEDCF8A3C
42
Ahoana no hevitrareo any amin'i Kristy? Zanak'iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak'i Davida.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C404F3D0-C653-497C-93E9-DBDEB0BC8D4E
43
Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin'ny Fanahy no manao Azy hoe: Tompo, ka manao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A3795A8-4C54-4B70-89A4-4F1AFD3A5ED1
44
Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanàko ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao (Sal.110.1)?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D519661-1CDC-4099-829B-0D6E49632CFD
45
Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FABC68BA-538E-44CC-A54A-FB371751D81F
46
Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8A973E1-9AD3-4E0D-BF20-74991050597B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany