Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tamin'izany Jesosy dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1E186BA-AF47-4B31-8AB2-0A2C54DA8D06
2
Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|477C7395-D5F0-4E80-9987-270D313D96C6
3
koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89AC14E9-A880-4864-BBE1-A99DD2708F4A
4
Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin'ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany anankiray aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F0278EE-CA1C-470A-9CBA-379D25F115B4
5
Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan'ny olona; fa ataony lehibe ny filakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E2EA398-ABFC-4EB8-937A-F769A44B7BE6
6
Ary tia ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin'ny synagoga
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|194FC44D-CAF2-42C0-913A-66BAECDB35A0
7
sy ny hoharabain'ny olona eny an-tsena ary ny hataon'ny olona hoe: Raby ô!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51211051-5A18-44A1-B195-21611EBE43BF
8
Fa hianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BD1F7A9-A9A7-4069-9904-3F0A81AB75AB
9
Ary aza milaza olona ety an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C882B61C-97F6-446C-BA39-7CD0D03F890F
10
Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12794261-66CD-4B26-BDB0-6F3C2474D673
11
Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE90A4FF-D69C-485B-BE2F-2DD9067A5052
12
Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70EF6913-8B33-4E7C-B4C6-BAD0D617C148
13
Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa arindrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; fa hianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B536913A-B6FF-44F4-99F1-F88B9C83E808
14
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa laninareo ny tranon'ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny mba ho fiolahana hianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DD472B5-0F9A-48C4-B416-33BF235F099E
15
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina hianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho hianareo aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D407E1D-C77B-44E5-8253-1FDDC24F4509
16
Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny volamena amin'ny tempoly, dia haningo-tena izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E021B47D-1BF2-4F62-A4A1-8660ECB0C926
17
Ry adala sy jamba! Iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D30843DF-ED05-4B55-81F9-A4C8DD14966C
18
Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D88B54F-5FBB-4FC6-9377-20C584E10E01
19
Ry jamba! Iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C222032A-56D5-4F3B-8C78-5E82C72CEF49
20
Koa amin'izany, izay mianiana amin'ny alitara, dia mianiana aminy mbamin'ny zavatra rehetra izay eo amboniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|096B1065-D00C-4055-9128-E82D8980231D
21
Ary izay mianiana amin'ny tempoly dia mianiana aminy mbamin' Izay mitoetra ao anatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65A27144-0030-4A25-A8E8-272B23A43B7A
22
Ary izay mianiana amin'ny lanitra dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra mbamin' Izay mipetraka eo amboniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85F2DBF8-1BB8-445A-8A26-1245E969BC0C
23
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E40FD74-06E2-4EDE-8BF1-FB992FF5E09F
24
Ry mpitarika jamba! Tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CF3A55C-D81A-41D8-9FEA-76274F922DB7
25
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CF7EEB6-F6F5-43B0-81EF-849B3EA66CB1
26
Ry Fariseo jamba ! diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B4D35EC-961E-4BEE-93A6-BC31BF3C987C
27
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy ! fa hianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny faholotoana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0965481A-FDEC-4449-8335-5DF5ED588C75
28
Dia tahaka izany koa hianareo: raha amin'ny eo ivelany dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6DF333C-0B93-4FDB-A0E6-F8416F1A3528
29
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy ! fa manao ny fasan'ny mpaminany hianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan'ny olona marina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D807203C-26DE-404D-8392-9FD9050CEA40
30
ka hoy hianareo: Raha niara-belona tamin'ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-dra ny mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2EE9C5E-BCAB-44FC-9A01-0902398EFC42
31
Ka dia miampanga tena hianareo fa zanak'izay namono ny mpaminany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|639675FE-6C30-42D0-B8B5-A9CAE234DCD6
32
Ary hianareo koa dia mamenoa ny famaran'ny razanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C46FEDF-CCC3-4FB6-974C-E23938A307B9
33
Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin'ny helo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4832ACBB-3264-44B8-942C-6D443CB1A530
34
Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho aty aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin'ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin'ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra-
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C040FF4-1A9C-4F11-B882-9A6A69BF47C0
35
mba hanody anareo ny ra marina rehetra, izay nalatsaka tambonin'ny tany, hatramin'ny ran' i Abela marina ka hatramin'ny ran' i Zakaria, zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan'ny tempoly sy ny alitara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9568FD53-3005-4B5A-9718-935484715731
36
Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E69DAF7-74AA-4FE3-B9B5-06D8D4875BE8
37
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanômban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety hianareo!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D14B016-14A7-4EA2-BD1A-4D296220B6CB
38
Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|940B7E5B-95A6-465A-B401-58A007384B42
39
Fa lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia tsy hahita Ahy tokoa hianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7226D497-1C0A-49F9-9194-B923BB54A9BD
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany