Andininy
Protestanta Malagasy
23
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E40FD74-06E2-4EDE-8BF1-FB992FF5E09F
24
Ry mpitarika jamba! Tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CF3A55C-D81A-41D8-9FEA-76274F922DB7
25
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5CF7EEB6-F6F5-43B0-81EF-849B3EA66CB1
26
Ry Fariseo jamba ! diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B4D35EC-961E-4BEE-93A6-BC31BF3C987C
27
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy ! fa hianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny faholotoana rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0965481A-FDEC-4449-8335-5DF5ED588C75
28
Dia tahaka izany koa hianareo: raha amin'ny eo ivelany dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6DF333C-0B93-4FDB-A0E6-F8416F1A3528
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany