Andininy Protestanta Malagasy 14 Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran' ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F925376F-6406-4D47-AE49-F16C72460367 15 Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'ny fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan.12.11.9.27) (aoka hisaina izay mamaky izany), qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B272A89-2C85-4CB0-B3EE-7FAFF89B90EA 16 dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44AF5C2F-4F31-493A-8265-6E784F7B261A 17 ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A785FE0-FC60-40F0-A090-3238976EB0E8 18 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56F2BE39-CF76-48BD-8716-EC9C948D993E 19 Ary lozan'ny bevohoka sy ny mampinono amin'ireo andro ireo! qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70BEBA35-DC50-4A6B-8A21-C0F4D539F789 20 Fa mivavaha hianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD2FA404-D6AB-4327-93AF-1FA66D48C4DF 21 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8EF488D-DA2D-4CBA-8898-38AC60D6AC68 22 Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|846AF701-2AD8-40A9-B184-1C7E2EB87488 23 Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, aty Kristy, na: Indro, ary; aza mino hianareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|220E8BB6-4D79-4558-8B2A-27D2B877B8B9 24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CEFFABD-0B4E-470B-8190-247F88DFD505 25 Indro, voalazako aminareo rahateo izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E454F7A-59E5-4CEC-8574-8E51865D391D 26 Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany hianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A701C82C-6377-49E1-A52E-6DBD3B0E2AC4 27 Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C870B8BC-7A47-4A1E-BC3B-5426775974CD 28 Fa izay itoeran'ny faty, dia any no hiangonan'ny voromahery. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3690A08-378E-4240-8263-466EA5502A34 29 Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0A76275-39AD-41CC-9BDB-A174B09B3DA5 30 Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BEC186E-2832-48A5-990A-884BF005F0C4 31 Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|627A7F98-6540-495C-A56A-E0C7D5AEE166 32 Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3305A8ED-79C3-414C-8089-515ECFBF4223 33 Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB25772A-4019-4FEC-AA7B-FF24C5AC5526 34 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28407408-E715-46B7-9982-9464A691B8FA 35 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42F99DFA-3EAA-4F7A-AF84-569CFDCA1D1E 36 Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFD7B0F2-FB97-41A9-A52A-A9996562B3B9 37 Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32BA3F5B-9E27-427C-BEA5-8B3D1D52BD54 38 Fa tahaka ny tamin'ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran' i Noa tao amin'ny sambo-fiara, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|620B85F9-E56C-4CDC-AE23-73AF851CCE9B 39 ary fantany mandra-pihavin'ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5A182E8-2BBE-4D92-96BB-1502BB15F6FF 40 Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D6551A6-1EE9-455E-BB9B-DA719586D51C 41 Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFFCECEC-7FA5-41A6-8E30-8C1E54D7B339 42 Koa amin'izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4D16FD6-B14A-4ED3-B57B-4F611ACC1180 43 Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A09168B7-264E-4A25-99D0-F3EF01EADF2C 44 Koa miomàna kosa hianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B63D88A-0D49-47D0-A1DE-21C3BC323163
|