Andininy
Protestanta Malagasy
14
Ary ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B5C74C2-9245-47F5-BACF-2EC6639A46EF
15
ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97C00821-D1AB-4EEA-AC4E-BE76473D9CE4
16
Ary hatramin'izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59434FAB-7822-4C6F-8FBF-C67CD8C7147D
17
Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin'i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|433679AA-ECD2-4A3A-85D6-BF2C736B43E6
18
Ary hoy Izy: Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoako; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|381D3C4A-AC55-43B6-8B64-99133BACAE94
19
Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain'i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|564AFFBE-17AE-459D-A2DD-996BB320E2C2
20
Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin'ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FE94B33-6D97-422E-944D-47451159D377
21
Ary raha mbola nihinana Izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2871C57C-8A30-4CC3-B243-FA7ECE0D95F7
22
Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7C91445-7AFF-47A9-9ACC-8B91E7FAB346
23
Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin'ny lovia, izy no hamadika Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5F43A3A-F10B-4AFF-8A84-F5FFC2AEE2FD
24
Ny Zanak'olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41E68872-03F6-4ABB-81BB-C5B86D4D7D51
25
Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va Izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9F47FB92-6543-4E52-8A61-F8BE3239DF14
26
Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB0008A8-D8BF-441A-906C-713BE4FB879D
27
Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1BD59B0-A587-4C99-A5C5-6498B6207368
28
fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|82DF5EA5-7B54-4ACB-B76E-6C7FF88FF1AB
29
Ary lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin'ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin'ny fanjakan'ny Raiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A79BBB9-A468-4EBB-9C66-8F48F0B30BA0
30
Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin'ny tendrombohitra Oliva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2FEF609-1AA4-43FC-9CF3-D3A0D05E8122
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany