Andininy
Protestanta Malagasy
57
Ary izay efa nisambotra an'i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian'ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AE55507-7191-47F6-9076-27B8AB9A1F2D
58
Ary Petera nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin'ny kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe; ary niditra izy, dia niara-nipetraka tao amin'ny mpiandry raharaha mba hahita izay hiafarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC7A1D21-3162-4F11-8513-E34A707B1C12
59
Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampangana lainga an' i Jesosy mba hamonoany Azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39B418A7-1349-4622-B94B-D895DB3F985B
60
fa tsy nahita izy, na dia maro aza ny vavolombelona mandainga tonga teo, izay nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFE8EC54-4FE0-45BC-93A6-98C061424DF2
61
Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin' Andriamanitra Aho sy manangana azy amin'ny hateloana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|352956EA-F296-4C8A-8001-4818644D6C88
62
Dia nitsangana ny mpisoronabe ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16350E18-E506-4E39-997D-0E6DD620B8CA
63
Nefa tsy niteny Jesosy. Dia hoy ny mpisoronabe taminy: Ampianianiko amin'Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak' Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87EA1FDC-E85E-4069-B806-6A09CE107045
64
Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny tànana ankavanan'ny Hery sy avy eo amin'ny rahon'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42456E12-AB4D-4279-980C-141A2399D98B
65
Ary tamin'izany ny mpisoronabe dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Efa niteny ratsy Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5735A4B-4091-45D1-8454-D9FE1BE2305A
66
Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Mendrika hohelohina ho faty Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F0EDB52-E2C4-446C-B1C3-FECBAA27A23A
67
Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4D0A5EE-941D-44FB-A263-7BDD8A7CF61D
68
ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|01118541-D990-4606-9EA4-417844B1C5E2
69
Ary Petera nipetraka teo ivelany, teo an-kianja, dia nanatona azy ny ankizivavy anankiray ka nanao hoe: Hianao koa nomba an' i Jesosy, ilay Galiliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00603F2D-2B39-401B-9155-C09FB32DE2A7
70
Fa izy nandà teo anatrehan'izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4BDDF53-68D9-438E-A35B-F13AC7F92574
71
Ary nony niala ho eo am-bavahady izy, dia nahita azy ny ankizivavy anankiray koa ka nilaza tamin'izay teo hoe: Ity koa nomba an'i Jesosy avy any Nazareta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81697162-3824-41D0-815F-2ECA4C1291F1
72
Ary nandà indray tamin'ny fianianana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A51A187D-C269-4B66-B4DA-28F7A2E3C069
73
Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin'i Petera hoe: Marina tokoa fa naman'ireny hianao; fa ny fiteninao miampanga anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38449813-B19C-48AE-9E14-086C32C451DA
74
Dia vao niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy izany; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B23BCCF-0045-405A-97F0-B29EA6B25F4D
75
Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo hianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D33B7BC4-9CA7-4ED1-8F42-5D797CCA35CB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany