Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nony maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an' i Jesosy mba hamonoany Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33489BB2-6A0D-4F93-AE2B-2D28C43CF761
2
Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an'i Pilato governora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B046E2F-8D2E-4753-9EA7-B24DA8BA5D06
3
Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0366E3E8-D8F4-4615-B1EE-E57E0E1D2A47
4
ka nanao hoe: Nanota aho, satria, namadika ra marina. Fa hoy ireo : Ahoanay izany? fa asa anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C8B1901-A142-4441-8A5A-5ECBFA3A4F56
5
Ary nony natsipiny teo amin'ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A7CC051-E93A-4A59-9660-993A2A9FC8DF
6
Ary ny lohan'ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin'ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-dra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D76B5A5-EA99-4F0C-8241-8B357A9AF60B
7
Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan'ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|690B6CE0-8398-450C-8901-E8EA5354975D
8
Koa izany no anaovana ny anaran'izany saha izany mandraka androany hoe: Sahan-dra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4F1C096-7327-4292-A2AE-D5F4F9C38D99
9
Ary tamin'izany dia tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe: "Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin'ilay notombanana, dia ilay notombanan'ny Zanak'Isiraely,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7390740-16F1-4A13-BA72-B27AD3763E71
10
ka nomeny hamidy ny sahan'ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah ahy" (Jer.18. 2; Zak.11.13).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63D651DD-C557-4754-A718-2078BCC55E16
11
Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan'ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|751B2257-8D83-404C-9DB3-B5D61850AFA0
12
Ary raha nampangain'ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona Izy, dia tsy namaly akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E440F5D-287D-4E4A-9ACF-CAAE6C4E6E07
13
Dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|233D6945-37FE-4E49-9C3B-5454243A0576
14
Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B717BD8-D48C-49BC-BA8F-5C2A0F6DDA3D
15
Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon'ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an'ny vahoaka, araka izay tiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE546489-774A-4D7D-8F82-6CD20A8CB8C5
16
Ary tamin'izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B86B5B9B-EBB7-45B6-8B59-FBDAF1883D0A
17
Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CE39D65-411A-4530-BE16-C21EC2E0F1E0
18
Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ireo Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F10BD71B-7800-497B-B02B-965056C3F7BA
19
Ary raha nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin'izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DF47EA6-B500-4B93-A032-E95151884258
20
Ary no lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an'i Barabasy ary hamono an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65DE89B1-A67B-4F56-907B-561DC61CF130
21
Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin'izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4397F51-3625-4677-95D4-07D4A87BE981
22
Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin'ny hazofijaliana Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86C1C68A-5C9D-488F-9FED-7908C5D04D2B
23
Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin'ny hazofijaliana Izy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9BCD541C-C5E2-4F7F-8CBD-46F6861D806E
24
Ary raha hitan'i Pilato, fa tsy nahaleo ditra azy izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tànana teo anatrehan'ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin'ny ran' ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|790BA412-771E-4E18-BE58-DDF07F5A0801
25
Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny rany ho aminay mbamin'ny zanakay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AA13DA4-18EF-47D0-B618-218D6D482EA6
26
Ary dia nandefa an'i Barabasy ho an'ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin'ny hazofijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC3574CE-8CD4-4D9F-B2D8-7C2ED7407D6E
27
Ary ny miaramilan'ny governora dia nitondra an'i Jesosy ho ao anati-rova sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F67F1C5-DA04-4041-A080-E259CB626649
28
Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A48C922D-1EF4-414A-80A2-E2302FD9F193
29
Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48B761DC-A0A6-4A43-90DE-D4E200953F3A
30
Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara, ka nokapohiny ny lohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C95E537E-F59B-4362-B921-486872A6AE6A
31
Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin'ny hazofijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|321E2FE2-3F2B-47A8-ACE9-7AAF1BB4682D
32
Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazofijalian'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1BA8F54-638D-4F3E-9156-F435F0CCEDDC
33
Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Golgota izy, izany hoe Ikarandoha,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBDC318F-A12A-4546-8969-56C18CD98AE4
34
dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C2C424B-B58F-4576-B353-4F3BBF388078
35
Ary rehefa voahombony tamin'ny hazofijaliana Izy, dia nanaovany loka ny fizàrany ny fitafiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74E162A0-2887-4897-912A-B9D8CFDBAA46
36
Ary nipetraka izy, dia niambina Azy teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1443227-7331-4E24-8741-E0E53590749F
37
Ary napetany teo ambonin'ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: ITY NO JESOSY, MPANJAKAN' NY JIOSY.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B61C15E6-219D-4119-BF8B-D958B632DA32
38
Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin'ny hazofijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46F0CC03-FE5B-4C29-9826-EBD80C23824F
39
Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-doha
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4A339C5-7742-4915-B8AB-E4F754717589
40
ka nanao hoe: Ry ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin'ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin'ny hazofijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA6D253B-8AC5-4906-981E-E7A74AC2ED69
41
Ary dia naneso toy izany koa ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3255FF66-1AA6-473C-86FD-21CE4B9F2362
42
Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan'ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin'ny hazofijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4AC52CFD-8008-46FC-965D-BD93108212AB
43
natoky an' Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy ( Sal.22.8), satria hoy Izy: Zanak'Andriamanitra Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86FAE591-7500-45EF-BFC6-909F5BBFAF1C
44
Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazofijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C419DD9-4770-426C-9D9E-186D2AA2C32F
45
Ary hatramin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D4C3552-4D76-40E6-A196-DCB45FB20CC7
46
Ary nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao? ( Sal.22.1).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A977D90D-A4AC-4C99-AD21-6471D01330B1
47
Ary ny sasany tamin'izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an' i Elia Ilehio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92D11FAA-5AE7-4F92-A0EF-57EFD9E62A3E
48
Ary niaraka tamin'izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaka ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin'ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|520372D8-F842-4DE8-9F30-8CC54A53470C
49
Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6592E1A5-182C-4216-9008-6DEEC2B2B363
50
Ary rehefa niantso tamin'ny feo mahery indray Jesosy dia nanolotra ny fanahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3125C81-D0F1-450E-BEC8-6C86F7C5FD28
51
Ary, indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98A2712F-A904-4E59-BD65-EA2D029CA7D4
52
ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5BE340E-7E94-4E07-BA7C-D17CB18E63D7
53
ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian'ny nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna Masina ka niseho tamin'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6748CB3-2CCB-4A62-B47C-05137738CEEF
54
Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an' i Jesosy, raha nahita ny horohoron-tany mbamin'izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|396BDEFD-0AD1-4275-A06E-71B7B673E1F9
55
Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an'i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A6F7A55-E361-4EC9-B3B8-BB4F18D35F39
56
Isan'ireny Maria Magdalena sy Maria, renin'i Jakoba sy Josesy, ary renin'ny zanak'i Zebedio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73670D9D-50CF-4A84-A69C-E77B89900F13
57
Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02F24D70-1E61-4888-B9AC-24D584FF9FC3
58
Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin' i Jesosy. Dia nasain'i Pilato homena azy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1949F0C-0641-45B7-80B8-5FE4FDCB2EC1
59
Ary rehefa nalain'i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|298FF226-8984-4A09-8A74-93AC6C01EAC4
60
dia naleviny tao amin'ny fasany vaovao, izay efa nolavahany tamin'ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy, dia lasa nandeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E73BDA26-7D48-4773-AC90-39B15C46976C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany