Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0864C92E-0E91-483D-B56B-DF7D80C3CA22
2
Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5AEB9C1-0627-44FD-937D-8E69DEEC4926
3
Dia nanatona ny mpaka-fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11F3A6E8-BB8F-4494-BB96-8E61A463E941
4
Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo.8.3).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27A740F3-FCE5-40A9-B1D8-484C228E96D3
5
Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6FFBB61-5FD2-4665-A998-46A85D042ECB
6
dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal .91.11.12).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52CEA80A-A271-4C48-8B6F-E3CBFC43F429
7
Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo.6.16).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BC96382-A6DF-47A7-9A58-EBD37E3A003A
8
Ary ny devoly nitondra Azy indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F1C334B-F491-4B12-8073-2A76880F82C2
9
dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|086FC35E-CB87-419B-90BC-A5FA5D20A7D6
10
Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo.6 13).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|864FB206-FF4C-4975-8B87-659F92B21925
11
Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E49075DA-0F26-42A1-ADDA-DC771E0A7EEF
12
Ary nony ren'i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A01E5C5-A01C-485C-9962-EED8BB9AE701
13
Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin'ny zara-tanin'ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|553D1ED3-7E3E-48F7-8C40-7C61C893DD84
14
mba hahatanteraka izay nampilazaina an' Isaia mpaminany hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78AD5743-29E8-459E-AED5-3CBE7D88B9D0
15
"Ny tanin'ny Zebolona sy ny tanin'ny Naftaly, ao amin'ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Galilia, tanin'ny jentilisa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F135E610-D403-48EC-BA35-CF7A524E285E
16
Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana" ( Isa.8.23; 9.1).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE4C26C9-09DA-499F-94E1-D971466732F8
17
Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23B1F49D-EF2E-45BC-A5A0-61D8B133E40A
18
Ary nony nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|320506FC-C1DA-4EDE-B701-70CE43268D11
19
Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8430742B-25A7-4DD0-8C00-39555D902DEF
20
Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91196BB0-52F6-49A0-8A50-C8B9616FA373
21
Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalay hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin'i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C9524A7-AE71-4238-98DB-731763B44DF5
22
Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60F5F4DD-D5CD-4445-9CDB-C0F68B7803F6
23
Ary Jesosy nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAD5BB89-AED5-4FA7-B08C-EC269C80C3E2
24
Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|895289EC-F4A4-4B31-AE1A-97C0754D60A4
25
Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin'i Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FED55B5E-1903-495C-8744-0F78B937291A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany