Matio 5: 21-26

Andininy
Protestanta Malagasy
21
Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks.20.13); ary izay mamono olona dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64E26F0D-0E9F-48E9-B2FD-603451070783
22
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe : Olom-poana hianao, dia mendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia mendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9DAA2CE3-3F97-44D6-966E-B28C713EAF7F
23
Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D86834C3-7080-4953-90F0-F8B78B83AF8B
24
dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D467D578-46EE-4E58-B6A4-890A84B252C6
25
Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy hianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-trano-maizina hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C68CE63-A77A-4694-8492-9EF73078110A
26
Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1431EC9-BDDD-487B-8DC9-B1C328351A7A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany