Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49DE442A-D375-44D0-BA22-5246E48CBD60
2
Ary, indro, nisy lehilay anankiray mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana nentin'ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3FEFD8D-04B3-48B5-BF0B-28A50B671582
3
Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0E3A3AA-AABC-4042-BE2E-C0F5E00502F3
4
Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana hianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46CEDA84-9552-41BB-89B4-433684F98542
5
Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84CCE8B8-8F51-4EE5-AB64-646AD42930D8
6
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana ety ambonin'ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): Mitsangana, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39F15E60-07F6-4629-9907-6DE2218A115D
7
Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBB4FEF8-80C4-486C-8DEF-C0FC4D48C3ED
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany