Marka 1: 1-45

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A0EA9AF-E364-4951-89AE-44EB7D0ED677
2
Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny làlanao (Mal 3.1);
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|972C9F46-4D40-46EA-AF40-BB4A4BAC175E
3
Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny làlan'i Jehovah, ataovy mahitsy ny làlan-kalehany (Isa 40.3),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3A8CDC7-2B12-47BC-8406-80A015337F4C
4
dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19281F9B-87DB-4471-948F-4CB70260F7DD
5
Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|998E8DAC-6C7A-49E4-9D10-1B20995AAC23
6
Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EACAD253-C055-497C-BABB-E65E7940463A
7
Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87DC96D9-B5FD-4DD4-9E60-3CB73E97D903
8
Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF786D30-DD41-4754-8D26-89090B9308B9
9
Ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D67E31C6-055D-4D03-81B5-C36FFA93B326
10
Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97653E6A-73F3-4AF9-9E1E-BE2614973182
11
Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47951186-AD48-4987-B55A-14E12F9BDEDC
12
Ary niaraka tamin'izay dia nampandehanin'ny Fanahy ho any an-efitra Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13AC6B70-D459-4734-9ECC-A291D01813EE
13
Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'i Satana fanahy; ary ny anjely nanompo Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D632986C-CC65-4EA6-81D6-A173C4C68889
14
Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46EB9894-9DAF-432B-AA9F-465306698D74
15
ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07678508-A1A2-4848-86C9-EF4DA8B77556
16
Ary nony nandalo teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy, dia nahita an'i Simona sy Andrea, rahalahin'i Simona, nanarato teo amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A33B572A-6A48-41AC-A19A-D04FA1A6A44B
17
Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A336DB3A-2622-4FBA-B2E0-20C0A7B5152B
18
Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FA743D5-6185-49E5-A3B8-9445DFD63FEC
19
Ary rehefa nandroso kelikely Izy, dia nahita an'i Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambolely koa namboatra ny haratony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5866E51-F562-4FD8-B104-955A3A8C2C15
20
Dia niantso azy niaraka tamin'izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an'i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin'ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4CA48D6-FDCA-4CA9-A757-C62D88A1A958
21
Ary nankany Kapernaomy izy ireo; ary nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58544282-4C62-4EDB-8C8A-C35DECC5D78A
22
Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|938871A5-2622-448A-B9E8-D28EAA91E69E
23
Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60935E28-CCE1-426F-850B-3B0B8F7214BD
24
ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D946207-9F0F-40EF-B125-6F0E58FE4E24
25
Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina hianao ka mivoaha aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12BC068A-281C-4F3F-B8DD-7EA8DD65CBA9
26
Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A5CABAA-BAC6-4E43-A030-3363E69011CF
27
Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! Fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF100042-8BFF-424A-8E3A-2D2C548E2072
28
Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC067BD2-1802-409E-8B19-02E4019CE5F7
29
Ary niaraka tamin'izay, raha nivoaka avy tao amin'ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon'i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6548F21C-E508-4DF7-B54A-8CCCEEF99A4C
30
Ary ny rafozambavin'i Simona nandry teo nanavin'ny tazo; ary niaraka tamin'izay dia nilaza azy taminy izy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97E23CE9-E54B-4CB8-8432-8FACA65178FB
31
Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo Azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A33714C-5C76-48A0-9F46-0F8812D4C516
32
Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C77A5FE-0416-4C46-BF69-F7750BF6BCBA
33
Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan'ny varavarana avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6B7583C-C3EC-4123-8BC5-132B590EED02
34
Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9B72E7D-9DF1-429C-9904-9DBE11D7E1CA
35
Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28983787-2B91-4472-8041-9A0CC75D884C
36
Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22D0E1F6-0FA4-4A43-BBF8-540AAAF794A1
37
Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CCA6DA5-A682-4AE0-A5D8-E0D8AE31774F
38
Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izany no nahatongavako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C6B8A23-2A01-4956-86C0-C8A8073B85D3
39
Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin'ny synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka ny demonia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|44773910-0F47-4709-B94F-C2A90D105B3D
40
Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80DE4757-6670-4718-8AC5-FB4EC6205C66
41
Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF9B1421-E562-487C-9C6D-6C342D7F691F
42
Ary niaraka tamin'izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFE83A05-2DD9-4F5C-A135-EE6FF94CA0CC
43
Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin'izay
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|129CB7B3-BF1E-4C5A-B838-C1916F7E450E
44
ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao izay nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCEE9933-D291-4F32-BEDA-D66365731DE4
45
Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68330FCB-5C2C-4DB7-9A9B-C00625A9E35E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany