Marka 1: 21-26

Andininy
Protestanta Malagasy
21
Ary nankany Kapernaomy izy ireo; ary nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58544282-4C62-4EDB-8C8A-C35DECC5D78A
22
Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|938871A5-2622-448A-B9E8-D28EAA91E69E
23
Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60935E28-CCE1-426F-850B-3B0B8F7214BD
24
ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D946207-9F0F-40EF-B125-6F0E58FE4E24
25
Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina hianao ka mivoaha aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12BC068A-281C-4F3F-B8DD-7EA8DD65CBA9
26
Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A5CABAA-BAC6-4E43-A030-3363E69011CF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany