Marka 12: 1-12
Toriteny na fanazavàna - "La place de la Parole de Dieu dans ma vie (suite)" 
Toriteny na fanazavàna - "Tu aimeras ton Dieu et ton prochain" 

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanimboaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6EF8509-3171-47A7-B5E9-4109E0A21DC4
2
Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa tany handray amin'ny vokatry ny tanimboaloboka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74D99DC9-8976-4C4F-A980-E8B93AC2DB44
3
Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0197D2C-EB47-482B-87CE-087E83FA55E1
4
Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3DC075C-AC58-4D35-8F80-D88ECB48019B
5
Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50F6CCD7-CD9F-444E-824E-CC62EDE60C0C
6
Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zanani-lahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CCA8DBB-53EF-43F0-A085-0A6DF5337074
7
Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1254149-57CB-4367-A796-082D12DE3FFA
8
Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny tanimboaloboka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9AF6D2D-81EA-4CA6-993D-7306A1C60A55
9
Koa ahoana no hataon'ny tompon'ny tanimboaloboka amin'izany! Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|018C1133-1EB8-49F9-8F87-CB0BBE95CCDF
10
Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao:"Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, dia izy no efa natao fehizoro;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9F1CD2C-6B38-467C-A086-595199EDE4D8
11
Avy tamin'i Jehovah izao ka mahagaga eo imasontsika?"(Sal.118.22.23).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BE8C2EF-2D39-4A70-AB04-4F8086CAA1A3
12
Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin'izany fanoharana izany; dia nandao an'i Jesosy ny olona ka lasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79CC5813-9FDE-4FBA-8B98-1C8FEFE27762
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany